Efa tsinjotsinjo ihany… Omaly kosa vao nanao fanambarana ofisialy ny tarika Rebika, fa nijanona any ivelany i Tonton Pà, ary tsy mpikambana ao intsony. Samy hanana ny lalany ny roa tonta.
«Izahay tarika Rebika dia maneho fialan-tsiny tamin’ ireo resabe izay nampisavorovoro ny sain’ny mpankafy ny momba an-dRakoto Patrick (Tonton Pà), izay nisafidy ny hijanona any France sy nilaza ho tsy salama ka hitsabo tena. Nanao ny ezaka rehetra ny amin’ny tokony hanatrehany ireo seho rehetra izay nifanarahana mialoha ny tarika, ka izay no mbola naha teo ny sariny, saingy niangaviany ny nanesorana izany ka izay no nampiova tsikelikely ireny afisy ireny », hoy ny ampahany tamin’ny fanambarana ofisialy nataon’ny tarika Rebika, omaly, tao amin’ny pejy Facebook. Mazava izany fa sady nijanona any ivelany no tsy anisan’ireo mpikambana ao amin’ny tarika Rebika intsony i Tonton Pà.
Ny volana jona lasa teo no voaantso ho anisan’ireo hanafana ny « Festival Tsika Jiaby » tany Frantsa ny tarika Rebika. Nitohy tamina andian-tseho vitsivitsy izany, tany an-toerana. Nahafaly ireo Malagasy mpankafy nanatrika, satria tafavory avokoa ny mpikambana rehetra tamin’ireo fotoana ireo. Teo ihany koa mantsy i Nix, izay monina any Frantsa ihany koa. Tsy nisy nanam-po anefa hoe ireny ny ho farany amin’ilay « grand complet », indrindra koa fa efa nandringa ny tarika taorian’ny nahalasanan-dRampal.
Tsy niatrika intsony ny fampisehoana goavana tetsy Antsahamanitra, ny 10 aogositra lasa teo, mantsy i Tonton Pà. Na dia « Ndao hifankatia » aza ny lohatenin’ny seho, efa tsinjotsinjon’ireo mpanaraka akaiky ny tarika fa niha nahazo vahana ny disadisa teo amin’i Tonton Pà andaniny, sy ireo mpikambana hafa, ankilany. Nitohy tamin’ireo fampisehoana vitsivitsy tany amin’ny faritra izany, izay soa fa nisy an’i Nix mbola teto an-tanindrazana ka nameno ny feo teny an-tsehatra.
Notanana foana ny hoe « tsy salama ka nijanona nitsabo tena any Frantsa i Tonton Pà », hatramin’ny omaly nivoahan’ny fanambarana, vinaniana ho noho ny nivoahan’ny afisy iray, izay milaza fa hisy fampisehoana iarahan’i Tonton Pà amin’ny tarika Baobab any Frantsa, ny 11 oktobra ho avy izao, ny anton’ ny fanapahan-kevitra… Tsy mbola nahazoana fanazavana kosa i Tonton Pà, mahakasika ity raharaha ity.
Zo ny Aina




