« Hafa », ampiarahana ny kolontsaina, ny fanabeazana ary ny tontolo iainana. Hetsika iray hotontosaina anio, manomboka amin’ny 7 ora hariva, etsy amin’ny La Terasse Antsahavola, izy ity. Hampiarahana mpanakanto efatra ny talentany, hamoahana ny hafatra izany. I Rolf, hitondra ny funk, Naday, hilalao Rock, Jhaleone, hanao rap ary i Vi hiantsa, slam. Izay fahasamihafana izay no hamoahana ilay hafatra voizina anatin’ny « Hafa ».
Nomena ny anarana “Lalana Ampanjaka Toera” ny ao Ampanasana, Miandrivazo. Nandritra ny fandalovan’ny delegasionina nitondra ireo kabeso telo tao an-toerana no nitokanana izany. Nasiana tsangambato lehibe ihany koa ho fanamarihana izany. Efa avy nandalo tao Antsirabe, Miandrivazo ka hihazo an’Ambiky, tanàna nihavian’ny Ampanjaka Toera sy nahafatesany ihany koa. Efa nanomboka ny alakamisy teo ny fombafomba ara-drazana any an-toerana, izay hitohy anio sy rahampitso.
“Hizara kanto”, iarahana amin’i Manou Radonason. Hizarazara momba ny lohahevitra “ny anjara andraikitry ny mpanao mozika eo amin’ny fiarahamonina malagasy” ity tovovavy mpitendry sy mpihira ity, rahampitso sabotsy, manomboka amin’ny 2 ora eny amin’ny Cité des cultures Antaninarenina. Ho vahininy, mandritra izany, i Fanini Andriambelo, mpankafy mozika ihany koa. Manan-ko zaraina izy ireo, raha ny traikefa eo amin’ny mozika.




