Manohy ny lalany ny tarika ‘Zay. Hifamotoana indray amin’ireo mpankafy any an-dafy izy ireo. Mialoha izany, hisy ny fiarahana indroa misesy.
«Noho ny fangatahan’ ireo tsy nahazo tapakila, hampiantsika iray ny seho », hoy ny fanambarana nataon’ny tarika ‘Zay, omaly. Mahakasika ilay seho izay hotontosaina anio, amin’ny 8 ora sy sasany alina, etsy amin’ny Food Courts La City Ivandry izany. Efa lany mialoha mantsy ny tapakila famandrihana, kanefa mbola maro ireo nitady. Araka izany, nanapa-kevitra ry zareo mpikarakara avy ao amin’ny RDJ sy ny tarika ‘Zay fa hampiana seho faharoa izany. Hatao ny alahady 7 septambra izao, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro, ao amin’ity toerana ity ihany.
Ireo daty roa ireo ihany, hatreto no hifamotoanan-dry Malala sy ny tariny amin’ireo mpankafy eto Antananarivo. Handeha hanao fitetezam-pirenena any Europe sy Canada mantsy ny tarika ‘Zay, aorian’ io. Any France ny seho voalohany, ny 13 septambra izao. Ao Paris, mazava loatra ny seho faharoa. Hitohy any Allemagne izany, ka ny 20 septambra no efa daty raikitra. Any Canada, Montreal kosa ny manaraka, ny zoma 26 septambra. Fangantahan’ireo Malagasy monina any Canada efa an-taonany maro izy ity, fa izao vao ho tanteraka. Toy ny mahazatra, ny fitetezam-pirenena ataon’ny tarika, mbola hisy ny daty hafa ankoatra ireo rehefa any an-toerana.
Fanohizana ny lalan-tsaina nitondran’i Nary ny tarika fahavelony izao. “Mitohy hatrany foana ny lalan’ny tarika ‘Zay rehefa mbola mila ny hira ireo mpankafy, na aiza na aiza misy azy ireo”, hoy mantsy izy tamin’izany. Vato namelan-kafatra rahateo ry Malala, Haingo, Tovo, Mamy, Miora ary i Harty, izay manohy ny tantaran’ny Tarika ‘Zay, amin’izao ankatoky ny fanamarihana ny 30 taona izao.
Zo ny Aina




