Tsy misy tsy mikaikaika fa sarotra ny fiatrehana ny fiainana andavanandro. Indrindra amin’izao fidiran’ny mpianatra izao… Eo koa ny maitsoahitra atsy ho atsy. Mby amin’ny fijerin’ny mpandinika sasany hoe misy ary be loatra ny elanelana eo amin’ny manana sy ny mahantra. Tsy misy na tsy firy ny eo anelanelany. Ny fandanilaniam-poana ataon’ny manan-katao sasany indray andro, ohatra, tsy azon’ny mahantra ao anatin’ny iray volana na herintaona; eny, na hifohafoha toy inona aza. Nefa hoe lanja miakatra ny fiainana, ary tsy misy ny hoe vidim-piainana midina izany.
Ady amin’ny fahantrana? Izay no hoe fahavalo iombonana. Ao anatin’izany ny fahantran-tsaina. Inona marina ny vahaolana iadiana amin’ny fahantrana lalim-paka sy maharitra ary mahahenika ny maro? Eo, ohatra, ny fanampiana. Fanampiana hialana amin’ny fanampiana mba tsy hiandry sy hiantehitra amin’izany mandavantaona. Tsy mahavita taona, tsy mahasehaka ny fahasahiranana, tsy mahahenika ny rehetra… Fanampiana hialana amin’ny fanampiana, fa tsy maintsy miasa ny tena. Ny asa ihany no mahavelona sy mampandroso, mampisy vidy ny maha olona…
Mby aiza ny famoronana asa? Hatramin’ny fanamorana ny hahazoana manangana orinasa, ohatra; eny, na tsena kely aza. Miara-dalana amin’izany izay mety ho tosika amin’ny fanampiana na fampindramam-bola. Hafa ihany ny mikarokaroka sy miketriketrika, fa tsy mandray vonona sy miandry tolorana. Andry iray amin’ny fampandrosoana amin’izao ny hoe maha olona. Anisan’ny mila hifampitaizana amin’izay famoronana asa izay ny fahasahiana manangana orinasa, ny fahatokisan-tena amin’izay atao, ny fananana fiaretana na inona olana sy faharetana hiotazam-bokatra… Mitondra ho amin’izany ve ny fampianarana sy izay atao amin’izao? Anisan’ny maha olona…
R. Nd.




