Tsy hifandimby any am-ponja

Lasa nikopak’elatra any ivelany indray izany ny filoha sy ny delegasionina tarihiny. Nahazo fanasana manokana mihitsy izy amin’ny fety aman-danonana izay ho hatrehiny. Mazava ho azy fa fankatoavana tsy misy mihoatra izany. Manana ny toerana maha izy azy ny mpitondra malagasy. Manana ny lanjany diplaomasia an’ny Malagasy. Heni-kaja heni-boninahitra ny firenena. Tsy takosonin’ilay resaka hoe fanonganam-panjakana.
Tsy mandeha ila anefa izany, mitaky fanajana sy rafitra iraisam-pirenena ihany koa. Mila manatanteraka ny toromariky ny fikambanana na ny sampandraharaha iraisam-pirenena izay misy an’i Madagasikara. Mazava ny tantana, tsy maintsy manaja ny Sadc sy ny Vondrona Afrikanina izany. Tsy vita ny mihirahira ny fiandrianam-pirenena, fa tsy maintsy miara-mirona amin’ny maro. Tsy mandeha irery ka ho lanin’ny voay, hoy ilay oha-pitenena.
Ny an’ny fikambanana iraisam-pirenena izay tsy mivaona amin’ny “ Fiaraha-mitantanta” sy ny “ankatoavin’ny rehetra”. Tsy mahalala afa-tsy izay izy ireo amin’ny famahana ny olana eto Madagasikara. Tanjona ny fisorohana ny disadisa maharitra sy sanatria miafara amin’ny fampiasan-kery. Anisan’ny mpisitraka tombontsoa voalohany amin’izany ny vahoaka malagasy.
Ekena fa manana tombony amin’ny firenena mpikambana ao aminy, miaina anaty filaminana ry zareo vahiny, kanefa mahazo fitoniana kokoa ny Malagasy. Tsy misy mahazo tombony amin’ny fivakivakisana sy ny fifankahalana izany. Loza mitatao ambony loha aza ny fikotrehana valifaty sy ny fifampiandrasana kendritohina. Sanatrian’ny vava tsy fifandimbiasam-pahefana no misy fa ho fifampidimbiasam-pigadrana.
Mila mahatsapa tena ny mpanao politika rehetra. Tsy ho jamban’ny volabe miliara azo anatin’ny volana vitsy. Mila mahay mitsinjo ny aoriana. Tsy misy maharitra mandrakizay amin’ny seza politika io. Ireo nihevitra azy ho tena henjana aza, lavo tanatin’ny indray mipi-maso.

r.r

Partager sur: