Any amin’ny tanàn-dehibe efatra : Raikitra ny Tremplin Madajazzcar

Hanomboka tsy ho ela ny “Madajazzcar Festival”. Mialoha izay, raikitra fa hisy ny « Tremplin Madajazzcar 2025 ». Tanàn-dehibe efatra eto Madagasikara no hanatanterahina azy io: Antananarivo, Antsirabe, Fianarantsoa ary Toamasina. Hizara roa ny fandaharam-potoana, amin’ny ankapobeny. Fanofanana ireo mpitendry zavamaneno tia milalao jazz sy fifaninanana hotanterahin’izy ireo. Ho an’Antananarivo manokana, ny 15 septambra ka hatramin’ny 19 septambra no hanatanterahina ny fiofanana. « Farafahakeliny, niveau intermédiaire no hanatrika ny fiofanana. Fa tsy manakana ny rehetra hanatrika akory izany », hoy i Tahina Vibe, iray amin’ireo hiandraikitra ny fiofanana. Hizotra any amin’ireo tanàn-dehibe ireo ny fifaninanana. Eto Antananarivo kosa no hanatanterahana ny famaranana.
Ireo andrarezin’ny jazz, toa an-dry Silo, Vatsiahy Ravaloson, Lova Ramahefason, Joro Rakotozafiarison, Seta Ramaroson, sns, no hampiofana. Marihina fa talenta maro no nifoha sy nivelatra tao anatin’izay taona maro nisian’ny “Madajazzcar Festival” izay.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: