« Ahoana ny hoavin’ny literatiora malagasy? » Izany no lohahevitra hiaraha-mizara mandritra ny kafe literera “Bar à livres” izay hatao eny amin’ny Le Park Bemasoandro-Itaosy, anio amin’ny 3 ora tolakandro. Adihevitra iarahana amin’ireo poeta, mpanoratra, mpanao slam ary mpandala ny literatiora amin’izao fotoana izany. Orad Ravalison, Indiamahery, Libertador, Tagman Namtag ary i Mitsinjo. Hoelanelanina fiantsana slam ny fotoana.
« Mahaleo by Silo », etsy amin’ny Makay Lounge, anio hariva. Hamerenan’i Silo ireo hiran’ny tarika Mahaleo nofanteniny amin’ny fomba hafa izy ity. Tsy tetikasa vaovao fa efa elaela no noketrehan’ity mpanakanto ity izany. Tsy vitan’izay, efa fotoana ela ihany koa no nifaneraserany tamin’ny tarika Mahaleo, nanomboka ny taona 1984 ka mandraka ankehitriny.
Erick Manana sy Joël Rabesolo, etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Hanomboka amin’ny 1 ora tolakandro ny seho, hamerenan’izy mirahalahy ny hiran’i Erick Manana sasany, amin’ny fanaovan’izy ireo azy. Hisy ampahany hanaovana Razilinah ihany koa mandritra izany. Toa ny tany Antsirabe, ny alakamisy teo, ho vahinin’izy ireo i Kôlibera, Nini ary i Benny, ao amin’ny tarika Feo Gasy.




