Fotoan-dehibe ho an’ny sakalavan’i Menabe sy ho an’ny Malagasy tsivakivolo. Tonga soa aman-tsara any Belo Tsiribihina, ary natolotry ny filoha Rajoelina Andry ireo taranany ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. Tafaverina ny hasina, ary midika ho fandresena izany.
Hirakitra ao anatin’ny tantaran’i Menabe ny datin’ny 5 septambra 2025. Omaly tokoa mantsy no tonga soa aman-tsara tany Belo Tsiribihina ny kabeson’ny Ampanjaka Toera sy ireo roa hafa an’ireo mpitari-tafiny. Tonga manokana tany an-toerana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, nanolotra izany tamin’ireo taranaky ny Ampanjaka Toera sy ny vahoakan’i Menabe. Zava-dehibe loatra mantsy, satria sady midika fa tafaverina ny hasina nopotehina, 128 taona izao, no fandresena miezinezina ihany koa.
«Famerenan-kasina ho an’ny finakaviana, ho an’ny foko sakalavan’i Menabe sy ny firenena iray manontolo izao… Betsaka ireo mpitolona naneho fitiavan-tanindrazana teto Madagasikara, saingy anisan’ny tena niaro ny voninahi-pirenena sy ny fiandrianam-pirenena ny Ampanjaka Toera, miaraka amin’ny miaramila sy ny vahoaka sakalava iray manontolo. Nanome ny ainy izy hiarovana ity tanindrazana ity”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika, nandritra ny fandraisany fitenenana.
Fisaorana mitafotafo kosa no nasetrin’ireo taranaky ny Ampanjaka Toera, izay nisolo tena ny vahoakan’i Menabe iray manontolo. Efa tamin’ny taona 2003 mantsy no nanao fangatahana tamin’ny fitondram-panjakana izy ireo ny hamerenana ny kabeson’ny raiamandreniny. Ny 6 novambra 2020, nandritra ny fitokanana indray an’Anatirova, no nanambaran’ny filoha fa hanao ny ezaka rehetra ny fitondram-panjakana, ka izao tontosa hatramin’ny farany izao izany.
Amin’ny maha mpandala ny fomba sy ny kolontsaina nentim-paharazana ny sakalavan’i Menabe, nanaovana lanonambe miavaka ny fotoana. Efa nanomboka ny alakamisy teo izany ary hitohy amin’ny fametrahana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera any amin’ny zomba any Ambiky, efa voaomana amin’izany. Nohajaina avokoa ny fomba amam-panao ary natao ny ala-fady sy ny famerenan-kasina rehetra.
Zo ny Aina




