« Opération Bokiko » : Manampy ny talenta vao

Isaky ny sabotsy voalohan’ny volana. Manatontosa atrikasa momba ny tontolon’ny boky ny « Opération Bokiko ». Hetsika iray ho fanampiana ireo manan-talenta sy ireo maniry ny hirotsaka eo amin’ny asa soratra sy ny boky. Ny faran’ny herinandro teo, notontosaina tao amin’ny Cité des cultures Antaninarenina ny andiany faharoa izay nanasana manokana an’i Na Hassi, mpanoratra.
Ankoatra ny velakevitra momba ny lalana diavina raha hiatrika famoronana. Niaraka nodinihina tsirairay ny hetahetan’ireo 15 mianadahy tonga teny an-toerana. Fanontaniana maro no nitadiavam-baliny. « Hanampy tosika ireo tanora izay te hampivelatra ny talentany eo amin’ny asa soratra no anisan’ny tanjonay. Tsy voatery ho boky ihany anefa fa izay rehetra momba ny soratra, tafiditra ao anatin’izany avokoa », hoy i Holy Danielle, filohan’ny Opération Bokiko.
Nisy tamin’ireo mpiofana nandray anjara tamin’ity andiany faharoa ity, ohatra, no nanokatra adihevitra momba ny fanoratana rindra an-tsehatra. Tao ihany koa ny mpandihy, satria, mialoha ny soradihy, tsy maintsy tafapetraka tsara ny soratra… Amin’ny famaranana ity atrikasa mitohy ity. Hamoaka karazana angona manana endrika boky kely ireo mpandray anjara. Ao no hametrahany ny ampahany amin’ireo sanganasany, izay ahitana ny fomba fanoratrany.
Manampy ny tontolo ambanivohitra amin’ny fampitiavana sy famakiana boky ihany koa ny « Opération Bokiko ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: