Sarimihetsika : 758 ny « films » handray anjara amin’ny MFF 20

Manana fivelarana lehibe eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy. Hotan­terahina ny 12 novambra ka hatramin’ny 17 novambra izao ny andiany faha-20 amin’ilay hetsika lehibe « Madagas­court Film Fes­ti­val ». Mahatratra hatrany amin’ny 758 ny isan’ireo « films » hifaninana. Isa anisan’ny maneho fisokafana goavana raha oharina amin’ny andiany teo aloha. Ny 62 amin’ireo no hiatrika ny fifantenana. Mana­mafy izany rahateo ny isan’ny firenena mandray anjara izay mahatratra 35.
Ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fandefasana sarimihetsika. Atrikasa maro samihafa hiompana amin’ny tontolon’ny sarimihetsika. Ve­la­kevitra sy fihaonana maro ho fanomezan-danja sy hahitam-bokatra tsara ny fivelaran’ny hetsika tahaka izao. Anisan’ny mahasarika tanora maro rahateo ny « Madagascourt Film Festival ». Ireo firenena voafantina ao anatin’ity andiany faha-20 amin’ny MFF ity : Kanada, Brésil, Frantsa, Alzeria, Maraoka, Burkina Faso, Sénégal, Guinée, Côte d’Ivoire, Togo, Bénin, Gabon, Madagasikara, Répoblika Tche­que, Tunisie, Tchad, Ka­me­ronina, R.D. Congo, Mao­risy, La Réunion.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: