TARATRY ny KANTO

« Madagascar, terre des esprits ». Io ny lohahevitry ny fampirantiana hotontosain’ilay mpaka sary, Rijasolo, hanomboka anio hatramin’ny 12 oktobra izao, ao amin’ny IFM Anakalely. Saripika miloko fotsy sy mainty toy ny nahafantarana azy hatrizay, nalaina tao anatin’ny 10 taona ireo notsongaina ireo. Misy sarina olona misy tromba, amina fandevenana, toerana fanasinana, sns, no nomarihin’i Rijasolo an-tsary, ka hitondrany ny mitsidika any amin’ny tontolo ara-panahy izay mbola manana ny toerany amina fombafomba eto Madagasikara.

« Bâtir l’Espoir ». Boky nosoratan’i Viviane Rahariniaina, izay navoakany ny faran’ny herinandro teo izy ity. Tantarany manokana, mifototra amin’ny maha vehivavy nitolona sy niady ary manana fanantenana ho an’ny fananganana izany. Boky natao indrindra ho an’ireo vehivavy miatrika ady amin’ny fiainana, ho torolalana sy fanomezana fanantenana izy ity. Efa mpitolona ho an’ny zon’olombelona, indrindra ny zon’ny vehivavy rahateo ny mpanoratra, ka mahalala tsara ny lohahevitra voiziny.

Partager sur: