« Ikalamara »: Nivoaka ho tantara fihaino ny boky

Ny volana desambra 2024 no nivoaka ny boky « Ika­lamara », nosoratan’i Mam­pianina Randria. Nanana ny lalany taorian’izay ity boky novokarin’ny éditions Karné ity, noho izy mivoy lohahevitra miavaka. Mbola ao anatin’izay lalana izay ihany, nivoaka amin’ny endriny tantara fihaino koa amin’izao ny boky « Ikalamara ». Tsy toy ny tantara an’onjampeo akory, fa ny boky no novakian’i Lina Ketevi, nampiainany nanaraka ny karazam-pihetseham-pon’ny tantara. Haingoin’ny feonkiran’i Guy Luivain’s izany, ary noraisim-peo tao amin’ny FCaudioEdit.
Raha tsiahivina, miresaka ny tantaran’i Mavo, tovovavy malagasy zarazara fihodirana, izay nametra-panontaniana mahakasika ny volon-kodiny, mandra-pahitany ny mampiavaka azy manoloana ny karazana misy manerana izao tontolo izao. Fanehoana izay haren’ny fahasamihafana izay ny boky, nasian’ny Ef.Illust­tation kisary. Fandrisihana ny mpamaky sy ny mpihaino hankafy ny endrika voajanahary tsy mena-mitaha amin’ny hafa ihany koa. Hitan’ny mpanoratra sy ny mpiara-miasa aminy ilay fambamboana fo, afaka mihoatra ny sisintany rehetra. Mitohy manaraka izay koa ny tantaran’i Mavo, ilay tovovavy zarazara hoditra.

Zo ny Aina

Partager sur: