TARATRY ny KANTO

Madagascar Mozarteum tafiditra ao anatin’ny « Dimanche Classique » andiany faha-22. Fampise­hoana hotanterahin’i Ianne Karisy Rajesson miaraka amin’ny feo kantony. Hitendry ny piano kosa i Hery Andrianirina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana hokaloiny amin’izany ny sanganasan’i G. Puccini, J. Massenet, C. Monteverdi, Gershwin… Fampisehoana hotontosaina ny 14 septambra izao, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro, ao amin’ny Alliance Française Antananarivo etsy Andavamamba.

« Bonne chance e… » ! Hiarahana amin’i Bela­hy sy ny gitara ary ny vazo miteny. « Hizara aminao ny vazo taloha sy ny ankehitriny », io ny fandaharam-potoana nomanina, sy haseho ao amin’ny Chez Baba Isoraka, raha ny fanazavan’ity mpanakanto maneho ny endri-piarahamonina iray manontolo ity. Ny sabotsy 13 septambra, amin’ny 3 ora sy sasany no hifamotoana amin’ny mpitia vazo miteny izy.

Manana ny ambarany ny Malagasy. Tsy voatery mindrana amin’ny an’ny vahiny fa ho lafatra ny atao. Manazava zavatra, ampiasaina ny teny vahiny. Manao famelabelaran-kevitra tsy ahitana afa-tsy Malagasy ihany ny ao anaty efitrano. Atao amin’ny fiteny vahiny. Manonona tsodrano ho an’ny taranaka. Miarahaba sy mirary soa… Samy amin’ny teny vahiny avokoa. Toy ny hoe tsy nanan-kambara tamin’ireny tranga ireny ny Malagasy. Hoy izy : « tsemboka alohan’ny mievoka. Midedaka alohan’ny afo. Mitafy lamba eo imason’ny tompony, mitafy amin-kenatra… » !

Partager sur: