Mandalo eto i Dina, Ra-Play, Gôda, Pasy ary i Erick Manana. Ho tafaraka indray amin’i Benny sy Bebey, izay mpikambana ao amin’ny Lôlô sy ny tariny eto an-tanindrazana ry zalahy avy any ivelany. Mazava loatra fa hisy indray ny “Revy Lôlô sy ny tariny”, toa izay notontosain’izy ireo tamin’ny roa taona.
Anisan’ireo tarika lehibe andrasan’ny maro mandritra ny “Tafan-gilita Festival” mantsy ry zalahy. Indroa miantaona rahateo ny “Revy Lôlô sy ny tariny”, izay mamarana ireo seho goavana, ny sabotsy 13 sy alahady 14 septambra izao, ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina. “Toa ireo mpanakanto nametraka ny revy gilita amin’izao toerany izao, hanaovana pao-tsatroka koa ireo mpikambana ao amin’ny Lôlô sy ny tariny ny andron’ny sabotsy. Mendrika ankasitrahana izy ireo”, hoy ny nambaran’i Hery Randriamampianina, tompon-kevitra voalohany amin’ny tetikasa.
Rehefa vory maromaro toy izao, miara-miverina any ambadiky ny taona 80 sy 90 ny mpankafy sy ireo mpanakanto. Fotoana hiainana indray ireo tadidy entin’ireo hira tsy faheno matetika intsony izany. Izay rahateo no tena andrasana amin’ny “Revy Lôlô sy ny tariny”. Araka ny nambaran’ny mpikarakara hatrany, tsy mitovy ny hira alahatra mandritra ireo andro roa ireo, na dia misy aza ny tsy azo hihodivirana satria andrasan’ny mpankafy hatrany.
Zo ny Aina




