Hisokatra amin’ny fomba manetriketrika ny taom-pianarana 2025 – 2026 ho an’ny fampianarana kabary iandraiketan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma). Ny sabotsy 13 septambra izao, amin’ny 8 ora maraina (ora eto Madagasikara) no hanatanterahina izany. Hizara roa ny fandaharam-potoana. Fanokafana araka ny fenitra Fi.Mpi.Ma sy atrikasa ho an’ireo izay hampianatra kabary, hotarihin’Andriamboavonjy Hanitriniaina, filohan’ny foibe. Lohahevitra: «Fantaro ny tontolon’ny fampianarana Fi.Mpi.Ma». Hisy mpitarika tsirairay, avy eo, ny sokajy mpiofana, takalo, taninketsa ary mpandalina.
Resaka Hakanto: Hanolotra ny «Lamban’ akoho» i Temandrota. Ho voaresaka ao anatin’ity hetsika hotanterahina ny sabotsy 13 septambra, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro, eny amin’ny Hakanto Contemporary ZFI Ankadimbahoaka ity, ny tontolon’ny fihetseham-po. Hanana endrika samihafa izy io. Hifandraika amin’izany ny fahafahana sy fahaizana mifehy ny ara-panahy. Ny tontolon’ny fiarahamonina eto Madagasikara.
Hanatanteraka seho any Mahajanga ny tarika Zook Davids. Nampahafantarina omaly ny andro sy ny toerana. Sabotsy 20 septambra, amin’ny 4 ora tolakandro, ao amin’ny FJKM Vavahadin’ny Lanitra Mangarivotra. Lalao sy fiderana ary ranty sy fivarotana boky fanabeazana no handrafitra ny fandaharam-potoana amin’ny ankapobeny. Tahaka ny mahazatra. Tsy hisy ny vidim-pidirana. Hasaina manokana ihany koa ny kilonga. Hiompana amin’ny «Ankizy tia Baiboly» rahateo ny lohahevitra.




