“Madajazzcar Festival 2025”: Ahitana fivelarana lehibe ny andiany faha-36

Iray amin’ireo hetsika kolontsaina lehibe indrindra fanao isan-taona ny “Madajazzcar Festival”. Misy hatrany ny fanatsarana sy ny fanatevenana. Tranga mitarika any amin’ny fivelarana lehibe, amin’ny lafiny maro izany.

Tafiditra ao anatin’ny an­diany faha-36 ny “Mada­jazzcar Festival” ho an’ ity taona 2025 ity. Fisokafana sy fivelarana lehibe no ho hita manomboka ny 2 ka hatra­min’ny 12 oktobra izao. Mana­songadina izany avy hatrany ny lohahevitra « L’intercultu­ralité et de la diversité », fihaonan’ny kolontsaina samihafa sy ny fanajana ny fahasamihafana ny lohahevitra ankapobeny.
Nitombo ihany koa ny firenena handray anjara. Haha­tratra hatrany amin’ny 10 any ho any izy ireo : Alemainina, Italia, Belzika, Frantsa, Mali, Kenya, La Réunion, Madaga­sikara, Norvezy, Etazonia (miandry fanamafisana amin’ ny herinandro ambony). Hive­latra ihany koa ny toerana sy ny tanàna hanatanterahina ny heztsika. Hisy ny « Tremplin Madajazzcar » avokoa izy ireo. Izany hoe, hisy fanofa­nana sy fifaninanana any An­tsirabe, Fianarantsoa, Toama­sina, eto Antananarivo. Izay laharana voalohany any an-toerana, hiatrika ny famara­nana eny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo, ny 8 oktobra izao.
Nohatsaraina ihany koa ny fanatanterahana ny fandaharam-potoana. Ho an’ireo andiany teo aloha, sahirana ny mpitia jazz, satria, misy fotoana mifanindry. Ho an’ity andiany faha-36 ity, tsy hisy intsony izany. Na andro iray aza no hisian’ny seho, ho samihafa ny ora. Natao ho seho roa isaky ny hariva. Handray ireo mpilalao jazz anisan’ny sangany maneran-tany ihany koa ny “Madajazzcar 2025”. Anisan’izany i Sidiki Camara (Malianina) izay miavaka amin’ ny fahaizany mifehy ireo karazan-gadona samihafa amin’ny alalan’ny amponga. Fantatra fa nangataka ny harahin’ny mpitendry jazz tera­tany malagasy izy mba hisian’ny fifanakalo­zana, tsy eo amin’ny mozika ihany fa hatrany amin’ny toe-tsaina, kolontsaina sy fomba fiaina.
… « Anisan’ny andrasantsika amin’ity andiany faha-36 ity ny firaisam-po ao anatin’ny fahasamihafana. Tsy any anaty mozika ihany fa eo amin’ny fiarahamonina sy ny fiainana andavanandro mihitsy », hoy i Jackie Ranarison, filohan’ny kaomity mpanatanteraka ny “Mada­jazzcar Festival”.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: