Hanomboka anio ny fitsapam-pahaizana ho an’ireo maniry ny hianatra ao amin’ny Anac. Isan’andro, manomboka amin’ny 9 ora maraina izany, etsy Anosy. Mahakasika ny taranja rehetra toa ny dihy izay mbola mizara zana-tsokajy, ny zavamaneno rehetra, ny “éveil musical”, ny orikesitra, kabary, sns, izy ity. Natao mba hamaritana ny fahaizana efa norantovina, hanamafisana ny fampianarana tokony homena ireo maniry ny hiofana ao amin’ny Anac izany.
Nodimandry ny alin’ny alatsinainy teo i Bonbonne, mpitendry gitara beso. Mahay azy avokoa ireo mpanakanto zanak’i Toamasina. Efa niara-nitendry tamina tarika maro mantsy ity mpanakanto ity. Ankoatra ny gitara beso, manan feo maranitra ka mpanao feo lafika ihany koa i Bonbonne. Andrasana ao amin’ny fonenany, any Beryl Rose, Toamasina, ny nofo mangatsiakany. Efa nifantenana kosa ireo mpanakanto zanak’i Toamasina amin’ny famitana ny adidy rehetra.
Efa tonga any Allemagne ny tarika ‘Zay. Tontosa ny sabotsy teo ny fampisehoana voalohany nataon’
ny tarika tao Paris. Ny sabotsy 20 septambra izao indray ny seho manaraka, any Stuttgart, Allemagne. Noho ny fangatahan’ireo mpankafy izay marobe any an-toerana izao fandalovana voalohany ho an’ny tarika ‘Zay any izao. Mbola maromaro ny seho miandry ny tarika any Europe, ankoatra izay, mialoha ny fiarahana aty an-tanindrazana indray.




