Afrima 2025 : Manohy ny lalany i Denise

Fantatra fa anisan’ireo mpanakanto tafiditra hiatrika ny tohin’ilay fifaninanana « All Africa Music Award » i Denise. Ho an’i Madagasikara, izy no mpanakanto vehivavy hiatrika izany voalohany. Raha tsiahivina, ao anatin’ny sokajy « Best Female Eastern of Africa » no misy azy. Nanomboka ny 10 septambra teo, mandray anjara amin’ny fitsarana ny olon-drehetra. Nanao antso ho an’ny Malagasy sy ireo tia zavakanto rehetra tsy ankanavaka i Denise hanohana azy ka hifidy amin’ny alalan’ny « https://vote.afrima.org/songs/68c1fb2c50c08e014ce73d39 ». Ilay hira « Matoky Zagna­hary » no hoentiny mifaninana amin’ity “Afrima 2025” ity. Marihina fa ny 20 novambra ka hatramin’ny 25 novambra izao no hanatanterahina izany, any Lagos Nizeria.
… Manohy ny lalany miaraka amin’i D-Lain ihany koa i Denise amin’ilay fifaninanana « Intervision 2025 » tontosaina any Rosia. Mahatratra 23 ny firenena mifaninana any an-toerana. 23 ihany koa ireo mpitsara ny fifaninanana. Ilay hira « Tiako hanjeky » kosa no entin-dry zareo eo amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena anisan’ny goavana be maneran-tany ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: