« Oktoberfest 2025 » : Hosantarina amin’ny « Star Tour Toamasina »

Oktobra, volan’ny labiera. Manamarika izany koa isika eto Madagasikara. Nampaha­fantarina omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Star Andraharo, ny andinindininy amin’ny « Okto­ber­fest 2025 ». Hisantarana izany ny « Star Tour Tamata­ve », izay hotontosaina ny 4 sy 5 oktobra izao. Hatao ao amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara, ao amin’ny Arena Sports, indray izany amin’ity.

Toy ny mahazatra, hisy ny seho goavana izay iarahana amin’ireo mpanakanto kalaza, ka i Lion Hill sy i L Jo no hanafana ny sabotsy. Hotohizan’i Rootsman sy i Samoela kosa izany ny alahady. Eo hatrany ny fanentanana, lalao sy fanafanana sehatra efa mahazatra mandritra ny « Star Tour », iandraiketan-dry Fou Hehy, Bahrone, Teg, DJ Looping, DJ Landry ary i DjThree T.
Hisy vokatra manokana hatosiky ny Star mandritra ny « Oktoberfest 2025 ». Hivoaka indray, mandritra izany, ny « Gold Amigo », izay labiera tequilla efa nisy ihany ary be mpankafy tamin’izany. Home­na toerana koa anefa ireo labiera hafa toa ny Queens, Gold, Beaufort, Fresh ary ny THB, izay mbola mitoetra ho lohalaharana, hatreto.
Handray ny « Oktober­fest » avokoa ireo toeram-pivarotanana salantsalany sy lehibe manerana an’i Madaga­sikara. Hitohy amin’ny alalan’ny « Camion Tour » kosa ny any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo, ny 9 hatramin’ny 20 oktobra izao.

Zo ny Aina

Partager sur: