Misaona ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Nodimandry tampoko i Dol’aj (Andriamihaja Jean Dolis), filoha lefitry ny fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Anisan’ny nahafantarana azy teo amin’ny tontolon’ny soratra ny fananana fitiavana sy finiavana hampivelatra hatrany io zavakanto sy kolontsaina io. Toetra nahalalan’ny olona maro an’i Dol’aj ny fahaizana mifandray sy mifanerasera amin’ny hafa. Mitsiky, miresaka am-pilaminana, mihaino, manoro hevitra raha ilaina. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany manontolo sy ny Havàtsa-Upem ny Gazety Taratra.
Misesy ny fampisehoana any Mahajanga. Manomboka rahampitso, hanatanteraka seho maromaro any an-toerana i Zook Davids sy ny tariny. 19 septambra, manomboka amin’ny 8 ora maraina, hisy ny EPP Tour ao Ambohimandamina Mahajanga I. Amin’ny 5 ora hariva kosa, ao amin’ny Centre FMMB Kanana Manga, hanatanteraka « Takariva mahafinaritra: Tanora sy Ados » indray izy ireo. Tohizany ny 20 septambra, amin’ny 4 ora tolakandro, ao amin’ny FJKM Vavahadin’ny lanitra Mangarivotra. Ahitana lalao sy fiderana ary varotra sy ranty boky.
Maro loatra ny fifandrifian-javatra. Io tranga io no voatsikaritry ny mpihaino sy ny mpitia tantara fandefa amin’ny Radio. Tantaram-pitiavana, be loatra ireo tranga toa mifampitohy tampoka. Maro loatra ny mifampiankina. Tahaka izany koa any amin’ny lohahevitra hafa. Mitaky mpanatontosa manana traikefa io zavakanto sy kolontsaina iray io eto Madagasikara. Ankoatra izay, mbola mila fifantenana tsaratsara kokoa ihany koa ny mpilalao. Tsy mbola miaina ao anatin’ny tantara lalaoviny ny mpilalao tantara sasany.




