Manasinirina Hira: “Nofinofiko ny haneho hatrany ivelany ny talentako”

I Hira no nahazo ilay gitara Taylor… Gitara lafovidy, loka voalohany tamin’ny “Tafan-gilita fifaninanana”. Mendrika azy izany, raha ny talentany. Fanombohana ihany anefa ho an’i Hira, satria mbola ho lava ny lalan’ity mpanakanto ity. Anarana tsy tongatonga foana, fa mahalaza be ilay Hira…

Vao 17 taona monja izy! Tena rara-kivy ara-bakiteny avokoa izay mahita azy milalao gitara. Mana­sinirina Hira no anarany, ary izy no nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ilay fifaninanana mitendry gitara, “Tafan-gilita” teo. Tsy Fan­dresena notolorana fotsiny, fa tena mendrika azy ary tsy nisy iray tsy niaiky, eny na ireo nifaninana taminy rehetra aza. Iray amin’irony mpitendry gitara misafidy ny “finger style” sy ny “percussif” iraony i Hira. “Génération kapokapoka”, hoy ny filazan’ireo mpitsara, nandritra ny “Tafan-gilita fifaninanana”. Lasa fironana amin’ny fitendrena gitara izao mantsy izy ity, ary anisan’ny mahafehy azy indrindra i Hira.

Tsara fototra
Avy taiza ny fahaizan’i Hira gitara? Na izy aza tsy tena mahavaly tsara ny fanontaniana. Ny fantatra kosa aloha dia tsara fototra, satria ny rainy no nampianatra gitara voalohany an’ity mpanakanto ity. “Nampianatra ahy ny fototra izy, fa avy eo izaho nikaroka ny ambiny rehetra. Sarotra aloha ilay izy tamin’ny voalohany fa rehefa tiana ilay izy dia mora hay ihany”, hoy izy. Eo no miditra ilay talenta… Toa hafa foana izay tendreny, maneno miavaka foana ny gitara raisin’ny tanany.
“Bandikely tia mozika, anisan’ireo tafakatra tamin’ny dingana famaranana, nandritra ny fifaninanana mitendry nokarakaraina ny taona 2023 izy. Nahazo ny Coup de coeur taminay mpitsara tamin’izany, na dia tsy nahazo ny laharana voalohany aza. Ankehitriny tsy namelany raha tsy azony ny amboara ary tena mendrika tokoa”, hoy ny nambaran’i Tojo Guitariste momba an’i Hira. Amin’ny maha mpitendry gitara matihanina sy mpampianatra mitendry ary mpitsara ny fifaninanana azy, tsikaritr’i Tojo ilay talenta lehibe ao anatin’i Hira.

Ahoana ny tohiny?
“Efa ela ihany no nitendreko gitara. Eo amin’ny enin-taona mahery eo. Nanomboka kilasy fahenina aho no nitendry, ary mbola kely tamin’izany. Fa rehefa mianatra zavatra iray dia tsy mila mijanona anaty hevitra iray fa mikaroka foana entina hivoarana. Dia tonga amin’izay hiriako aho avy eo. Ny nofinofiko izao ny mba haneho amin’ny olon-drehetra, tsy ny eto Madaga­sikara ihany fa hatrany ivelany, izay fitendreko gitara izay. Izay mihitsy no faniriako: ny ho tonga any ivelany”, hoy i Hira.
Mbola tena feno ny fony nandritra ny fotoana nanontaniana azy, vantany vao nidina ny sehatra avy nandray ny loka voalohany. Tsapa be ao anatiny kosa izay te hanatanteraka nofinofy izay, ary nandrisika be azy ny horakoraka sy fankasitrahana nataon’ireo mpijery sy mpanotrona, mpi­tsara, mpanakanto ary ny
mpikarakara ny “Tafan-gilita Festival”.
“Mino aho fa ho lasa lavitra avokoa ry zalahy ireo. Rehefa mahatsapa ilay faka, ilay fototra ka miezaka mametraka ny maha izy azy aorian’izay, misokatra midanadana ho azy ireo ny lalana. Tsy mba nisy toa izao tamin’ny andronay fa izahay ihany no mi-debra irery tao. Fa izao kosa, tolo-tanana lehibe ny fifaninana sy hetsika toa itony. Lasa ry lerony ireo”, hoy ny fanehoan-kevitr’i Dama, iray tamin’ireo mpanakanto andrarezina, sady nitsodrano, nanoro lalana ary niaiky ihany koa ny talentan’i Hira.

Manao ahoana i Hira eny amin’ny fiarahamonina?
Tia mitsiky. Toetra tsikaritry ny rehetra amin’i Hira io. Midika fahadiovam-po sy fisokafana amin’ny mpiara-monina izay. Ao ambadik’izay ilay toetra tia mifandray, tsy mieboebo. “Mipirimpirina izay ilehiry, fa miresaka tsara kosa anefa. Toa tsy andriny ny fotoana hanehoany ny talentany rehefa miakatra ny sehatra izy”, hoy kosa i Mbola Talenta. Ary rehefa tafaroboka ao anatin’ny fitendrena i Hira, tsy mahita ny manodidina azy fa ny manodidina kosa tsy mahita afa-tsy izy…
“Eo amin’ny fianarana indray, tsy tena hoe mahay be aho, nefa tsy hoe bado be koa fa eo afovoany eo”, hoy i Hira. Mbola fanehoany ilay fane­tren-tena ao anatiny izany, satria tsy mbola nidehaka ho mahay gitara be ihany koa izy, kanefa ireny ny nafitsony. Kilasy famaranana ao amin’ny sekoly Saint Joseph de Clun­ny ao Toamasina izy, amin’izao fotoana, izany hoe, hiatrika ny fanadinana bacca­lauréat amin’ity taom-pianarana ity.

Entin’ny fitiavana mozika
Efa tao anatiny ilay fitiavana mozika. Teo ny fitaizan’ny raiamandreny, fa eo indrindra koa ny famoazana ilay talenta voajanahary, entin’ilay anarany Hira. “Ny fitiavako mozika no tena nanosika ahy handray anjara tamin’ny Tafan-gilita. Ny fitiavako ny gitara koa tena ambony be, ary izaho te hampiseho izay kely haiko”, hoy izy. Mbola porofon’ilay talenta miboiboika ao anatiny izany.
Izay fitiavana mozika izay foana no nataon’i Hira ambony indrindra, ka maromaro aza ireo notakina tamin’ireo mpifaninana, nodinganiny avokoa ireo sedra rehetra. Tsy ny loka loatra no tena nandrisika azy, araka izany fa ilay fitiavana.

Hira sy ny famoronana
Ny fahaizana sy talenta amin’ny tendry gitara no tena notsaraina sy nasongadin’ireo mpifaninana tamin’ny “Tafan-gilita”. Hira efa malaza avokoa, na ireo nosafidian’ny mpifaninana na ireo natolotry ny mpikarakara. Ireo mpanaraka anefa nahatsikaritra fa na hira efa malaza aza, samy nametraka ny maha izy azy ireo mpifaninana. “Efa famoronana ireny hataon-dry zalahy ireny, na dia tsy tsikariny loatra aza”, hoy i Dama.
“Misy ihany ny famoronana fa tsy dia hita taratra teo. Fa manomboka eto izany izay vao tena hamoahako ny fahaizako manokana, ny fomba fi­tendreko gitara sy ny mety ho famoronako. Mila havoakako amin’ny olona hoe ohatran’izao ny tena fitendreko sy ny hai­ko”, hoy ny fanazavan’i Hira.
Fanazavan’ny olona vonona, ary hisy vokatra tsy ho ela…

Nangonin’i Zo ny Aina Randriatsiresy

Partager sur: