TARATRY ny KANTO

Satria, iray ihany ny tanindrazana (Mada­gasikara), dia iray ihany ny Malagasy. Fa, mety ho samy hafa ny kolosaina sy ny kolontsaina ary ny fomba amam-panao. Samy manana ny azy. Io no anisan’ny mampiavaka ny Malagasy sy i Madagasikara. Faritra na toerana mifanakaiky, kanefa, ahitana fahasamihafana eo amin’
ireo lafiny ireo. Ny fanekena io lamina voanajahary io sy ny fiainana azy ary ny fifanajana no miteraka fampandrosoana ho an’i Madagasikara sy ny Malagasy tsirairay.

« Antso laitra », antsam-paribolana. Ny sabotsy 27 septambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny efitrano malalaky ny Cercle Germano-Malagasy etsy Analakely no hiakatsehatra indray ireo «mpiraifaribolana». Hanana ny antso ataony momba ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy ny mpanoratra. Tahaka ny mahazatra, tsy hisy ny vidim-pidirana. Hiranty sy hamidy eny an-toerana ireo boky mirakitra tononkalo sy asa soratry ny «mpiraifaribolana».

Miha maivan-danja andro aman’alina ny teny malagasy. Na miteny, na manoratra, mbola maro amin’ny Malagasy no sahirana. Lesoka lehibe tsy maintsy vahana ao anatin’ny fotoana fohy, ohatra, ny tsy fahaizan’ny zaza sy ny tanora malagasy manonona ary manavaka ny «-dry» sy ny «-njy». Ny «Andriamanitra» lasa «Anjemanitsa». Ilay finiavana hampitovy fanonono ny teny vahiny amin’ny teny malagasy no mahatonga izany. Fa inona no ataon’ny mpampianatra any an-tsekoly no tsy manitsy? Tahaka izany koa ny ray aman-dreny ao amin’ny ankohonana.

Partager sur: