Ilaina ny mianatra. Tsara ny manaraka ny fenitra iraisana maneran-tany, sns. Ankoatra ireny, tsy azo odian-tsy hita fa nanana ny nipoirany ny zavakanto sy ny kolontsaina tsirairay. Ireny no fototra tsy tokony ho narina sy mbola mila tazonina. Manana ny maha izy azy, ohatra, ny fanorona. Na efa mivelatra eo amin’ ny sehatra iraisam-pirenena aza ny filalaovana azy ity anaty finday. Mila tazonina hatrany ny fototra. Tahaka izany avokoa ireo zavakanto sy kolontsaina manana fototra sy fanahy nipoirana mazava tsara.
… Noho izany, mila manao ezaka ny tomponandraikitra tsirairay any amin’ireny toerana na foibe fampianarana zavakanto ireny. Mila mikaroka hahita na amin’ny ampahany ihany aza ny fototra mba hahafahany mampita izany any amin’ny mpianatra. Matetika, ireo fototry ny zavakanto sy kolontsaina vahiny no ananan’ ny mpampianatra fahalalana kokoa no ho ny eto an-toerana. Vitsy dia vitsy, ohatra, ireo mampianatra mihira na mitendry zavamaneno malagasy, no mahafantatra ny momba ireny hira na zavamaneno ireny. Iny anefa no anisan’ny lehibe indrindra mitazona sy mahatazona ilay fanahy ao amin’ilay zavakanto.
… Mbola mipetraka ho olana eo amin’ny tontolon’ny fampianarana zavakanto sy kolontsaina malagasy amin’izao vanim-potoana izao ny tsy fitovian’ny lenta eo amin’ny mpianatra any amin’ireny toeram-piofanana ireny. Antony iray nahatonga izany ny tsy fisian’ny fandaharam-potoana iraisana… Mbola asa miandry ireo « tomponandraikitra » ny mamolavola azy io.
HaRy Razafindrakoto




