Seha-kanto iray manomboka miroborobo ny hatsikana. Nanana ny anjara birikiny tamin’izany ny « Festival Jokosso », izay ifarimbonan’ireo mpanao hatsikana na efa malaza na vao misondrotra.
Manana ny hetsika azy manokana ny hatsikana eto Madagasikara. Hiditra amin’ny andiany faha-5 sahady mantsy ny « Festival Jokosso », amin’ity. Hatao mandritra ny roa herinandro izany, ny 26, 27, 28 septambra sy ny 3, 4 ary 5 oktobra izao.
« Nanapa-kevitra izahay ny taona 2021 hikarakara hetsika hanomezana sehatra ny mpanao hatsikana, satria tsy mba nisy izany. Homena laka ireo tanora mpanao hatsikana amin’ity », hoy ny nambaran’i Raytra Belaw’Yck, omaly, tetsy amin’ny CGM Analakely. Iray amin’ireo toerana handray ny « Festival Jokosso » ity ivokolo ity, izay sehatra fanombohana foana matetika ho an’ny mpanakanto. I Lanja Babeine no hisedra ny CGM, ny alahady 28 septambra. « Efa ela ihany aho no nanao hatsikana. Efa ela no tia mitantara fiainana sy mifosafosa mba hiarahana miomehy. Betsaka ny zavatra efa nandalovako fa dia tonga ihany ity ilay fotoana hanaovako One Man Show », hoy ity mpanao hatsikana anisan’ireo manana ny hoaviny ity.
Efa misy maromaro koa ireo tovovavy mpanao hatsikana, miroso amin’ny fiakarana an-tsehatra. Hisy atrikasa hatokana ho azy ireo indrindra ny 3 oktobra, ao amin’ny Bamboo Lodge. « Ho avy amin’io fotoana io i Fafah, namana avy any La Réunion. Hisy mpanao hatsikana avy any Belgique koa handray anjara amin’ny fanokafana ny Festival ny 26 septambra », hoy i Raytra.
Fampitana traikefa avy amin’ireo zoky ho an’ireo zandry mpanao hatsikana ihany koa ny hetsika. Hitantara ny dingana rehetra nandalovany i Eric sy Honorat ao amin’ny Fou Hehy. Hisy fampisehoana iray hatolotr’i Gothlieb sy Honorat ihany koa ny 27 septambra, ao amin’ny La City. Haka endrika fampisehoana hatsikana lehibe kosa ny famaranana, ao amin’ny CCesca Antanimena, ny 5 oktobra. Hiray sehatra ireo efa kalaza sy ireo vao misondrotra amin’ io. Hisy seha-kanto hafa, toa ny teatra, beat box, sns koa mandritra izany.
Zo ny Aina




