Nifandona ny dahalo, andaniny, sy ny zandary sy fokonolona, ankilany, tany Lohotsy, fokontany Antsandravolaina, kaominina Fiadanana, ny alin’ny 14 hifoha ny 15 septambra lasa teo. Lasan’ireo olon-dratsy enina mirongo basy tamin’izany ny omby miisa 17 tao amin’ny valan’omby iray. Natao ny fanarahan-dia ary tratra tsy lavitra ny tanàna ny iray tamin’ireo olon-dratsy, raha toa ka tafaporitsaka ireo ambiny. Nikasa handositra teo am-panoroana ny toerana niafenan’ny namany iy farany ka lavo. Olon-dratsy telo hafa voasambotra ary nahitana basy vita tanana miisa roa tany amin’izy ireo.
Naharay antso avy amin’ny olon-tsotra ny zandary ao Ankazobe fa misy andian-jiolahy mihaodihaody tany Fanjabe, fokontany Ambohimanarivo, kaominina ambanivohitra Fiadanana, distrikan’Ankazobe, tamin’ny 12 ora alina. Nidina nijery ny zava-misy avy hatrany izy ireo taorian’ny antso ka nahafahana nisambotra ireto olon-dratsy ireto.
Mino




