Madajazzcar Festival 2025, hiditra amin’ny fifaninanana ny « Tremplin » ho an’ny eto Antananarivo. Hotanterahina eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, ny alarobia 24 septambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ny fifanintsanana. Afaka manatrika azy io avokoa ny olon-drehetra liana amin’ny tontolon’ny jazz. Tafiditra ao anatin’ny fikatsahana sy fampitiavana ity zavakanto iray ity rahateo izany. Mampitombo ny fifaneraserana eo amin’ny tsirairay sy hisongadinan’ny fifanajana ao anatin’ny fahasamihafana.
Manana asa roa ny mpihiragasy. Ny vanim-potoana no mametraka izany, raha ny fanazavan’i Dadafara Lt Prod. Rehefa amin’ny fotoam-pambolena, midina eny an-tsaha ny mpihiragasy mamboly. Amin’ny fotoanan’ny maintany, mandray mozika izy ireo miatrika ny fomba malagasy isan-karazany. Io tranga io no niainan’ ny mpihiragasy tao anatin’ny taona marobe. Mbola mety ho afaka miatrika na manatanteraka adin-kiragasy anefa izy ireo raha mbola misokatra na tsara kokoa noho izao ny lalana mankany amin’ireo faritra manodidina ny tanàn-dehibe.
Tafiditra ao anatin’ny fitsaboana ny fahenoana ny feona mozika. Hatramin’izao, anefa, mbola vitsy amin’ny Malagasy no mahafantatra izany. Tsy fahalalana avy any ivelany io fa efa nisy ela teto an-toerana fa nanana endrika hafa taty aoriana. Ny siokam-borona, ohatra, nampiasain’ny Ntaolo hanamaivanana ny vesatra ao anatin’ny sainy sy ny fony. Heno ao anatin’ireo tononkira fahiny izany. Hisy fampivondronana ireo mpampianatra mozika ato ho ato, handinika ny fampiasan’ny Malagasy ny feo ka hitondra izany eo amin’ny sehatry ny fitsaboana sy ny fiainana andavanandro.




