Fikambanan-jiolahy : Olona sivy nosamborin’ny polisy

Ravan’ny mpitandro filaminana ny fikambanan-jiolahy mitam-piadiana tao Maha­janga renivohitra, ny faran’ny herinandro teo. Manoloana ny asa ratsy miseholany voarain’ ny polisy miasa ao amin’ny ka­omisaria foibe, nanao hetsika manokana hisamborana ireo tsy valahara izy ireo. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa mialokaloka ao amin’ny tanàn’Antanima­landy ny olon-dratsy iray anatin’ny fikambanan-jiolahy. Tratra tao amin’ny toerana voatondro io lehilahy io. Natao famotorana ka nitoroka ireo mpiara-manao ny asa ratsy aminy. Nitohy ny vela-pandrika ka voasambotra tao Tsara­rano Ambony ny olona miisa telo, ny 17 septambra. Nitohy ny fa­nadihadiana lalina ka niampy ireo olona tratra. Mpihazona ny fitaovam-piadiana fanao­vana ny asa ratsy io sarona io. An­koatra io, niampy dimy ireo voasambotra ny tolakandron’ io 17 septambra io. Mpitahiry sady mpanafina ny entana halatra ireto farany. Nogia­zana avokoa ny entana tratra teny amin’izy ireo. Atolotra ny fampanoavana ny raharaha. Andrasana ny tohiny.

Tsiferana R.

Partager sur: