« Intervision 2025 », fifaninanana iraisam-pirenena eo amin’ny tontolon’ny hira, notanterahina tany Rosia. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany i Denise sy i D-Lain. Nisy ny nampisogadina azy mianadahy. Iray amin’ireny ny feo. Nanana ny fanapahan-keviny ny mpitsara…
Tontosa ny sabotsy 20 septambra lasa teo, tamin’ny 10 ora alina, tany Rosia, ny fandraisan’anjaran’i Denise sy D-Lain tamin’ilay fifaninanana iraisam-pirenena lehibe « Intervision 2025 ». Ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitsara no nametraka azy mianadahy sy i Madagasikara teo amin’ny laharana faha-8 , raha 21 ireo firenena nifaninana. Ilay hira « Tiako hanjeky » no nahazoan’izy ireo io laharana io sy ny isa 338. Izany hoe, laharana voalohany aty Afrika izy mianadahy raha ho an’ity « Intervision 2025 » ity. Ilay teratany vietnamianina, Duc Phuc, tamin’ny alalan’ilay hira « Phu Dong Thien Vuong » kosa no nibata ny laharana voalohany, nahazo isa 422. Mahatratra hatrany amin’ny 30 000 000 roubles na 300 000 euros na 1 500 000 000 ar ny vola azony, ny sabotsy teo. Voalazan’ireo tany an-toerana, anisan’ny antony nahazoany io laharana io ny nisalorany ny akanjo mampiavaka an-dry zareo vietnamianina izay nampiany tamina asa fikarohana momba ny fitafiana. Fantatra fa ny mpitsara avy any Kazakhstan sy ny avy any Kyrgyzstan no nisafidy an’i Madagasikara ho laharana voalohany.
Marihina fa ny taona 1977 ka hatramin’ny taona 2008 no tena nampivelatra ny fifaninanana iraisam-pirenena « Intervision ». Niato izany ny taona 2009 ka hatramin’ny taona 2024. Ny 3 febroary teo, nanapa-kevitra ny filoha rosianina fa haverina sy hatsaraina hatrany ny « Intervision ». Fantatra nandritra ny fotoam-pamaranana fa any Arabie Saoudite no hanatanterahina ny « Intervision 2026 ».
HaRy Razafindrakoto




