Vaky fasana : Fasana nanitrihana matin’ny pesta lasibatra

Lasibatry ny asan-jiolahy ny fasana miisa roa izay nandevenana olona voan’ny pesta ny iray tao amin’ny fokontany Amparihinomby, kaominina ambanivohitra Tsiroanomandidy Fihaonana, distrika Tsiroanomandidy, ny sabotsy 20 septambra teo. Nasesin’ireo jiolahy novakiana ny fasana miisa roa. Nikoropaka ny tompom-pasana sy ny fokonolona nanama­rina ny isan’ny  razana. Araka ny fanazavan’ny iray tamin’ireo tompon’ny fasana lasibatra, nandevenana olona voan’ny pesta ny iray tamin’ireo fasana ireo. Nitondra fanazavana momba ny fitrangan’io aretina io, ho an’ireo nanatrika, ny mpitsabo sy ny manam-pahefana. Nanamafy ny mpitsabo fa areti-mandoza ary mamono mihitsy ny pesta. Tsy voafaritra mazava ny fotoana nanaovan’ireo mpamaky fasana ny asa ratsiny. Marihina fa tsy nisy voakitika ny razana tao amin’ny fasana iray raha toa ka tsy nisy afa-nanamarina ny isan’ny razana very tao amin’ny ankilany. Nanokatra fanadihadiana ny OMC ao an-toerana hiadiana amin’ny tranga vaky fasana.

Tsiferana R.

Partager sur: