Ankizivavy vao 14 taona monja, mpianatry ny EPP Mananara Ville, hita faty tao an-tranon’ny mpitaiza azy, ny alahady 21 septambra teo. Hitan’ilay olona nitaiza azy niaraka tamin’ny tovolahy tao an-trano ilay ankizivavy. Nampiaka-peo manoloana ny zavatra hitany ilay mpitaiza, araka ny fanazavan’ny fianakavian’ilay zaza. Tsy nanampo na inona na inona, araka izany, ilay mpitaiza, fa nanohy ny fivelomany amin’ny andavanandro. Nandeha nivarotra legioma amin’ny tsena fivarotany izy. Tetsy ankilany, nijanona irery tao an-trano ilay ankizivavy. Akory ny hatairan’ny manodidina nahita ity mpianatra ity efa maty tao an-trano. Nikoropaka izy ireo ary niantso avy hatrany ny manam-pahefana sy ny mpitsabo hijery ny zava-nisy. Ahin’ireo nanatri-maso ho namono tena noho ny fananaran’ilay nitaiza azy io ankizy io. Monina ao Mandritsara ny ray aman-drenin’ity ankizy namoy ny ainy ity. Nentin’ny fianakaviany namonjy ny kaominina Ambalakirajy ny vatana mangatsiakany. Marihina, mananosarotra tanteraka ny fitaizana amin’izao fotoana. Matetika miteraka olana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka ny fandrarana avy hatrany ireo zaza tratra manao fiainam-pitiavana.
Tsiferana R.




