Namoy ny ainy voatifitry ny zandary ny dahalo raindahiny atao hoe Ikoba, tao amin’ny fokontany Manampisoa, kaominina Tsinjoarivo Imanga, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny sabotsy 20 septambra teo. Nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tanànan’Antsahabe, anatin’io fokontany Manampisoa, ireo dahalo miisa telo. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ny fokonolona. Nitondra ny ekipany hisambotra ny dahalo voalaza fa mampihorohoro ny zandary miasa ao anivon’ny zana-tobim-paritra Tsinjoarivo Imanga. Nanapoaka basy ireo olon-dratsy vantany nahatazana ny zandary. Raikitra ny fanarahan-dia satria nitsoaka ireo mpandroba. Lavo nandritra ny sakoroka ny iray tamin’ireo dahalo. Latsaka teny amin’ity farany ny fitaovam-piadiana nampiasany, toy ny basy poleta sy ny bala. Voamarina taorian’io fa dahalo mpanao fanafihana mitam-piadiana ao amin’ny kaominina voakasika ity voatifitra ity. Karohina ny namany.
Tsiferana R.




