Hotel VENUS 67 Ha Atsimo : Lonilony no namonoana ireo Sinoa mianadahy

Tompon’antoka tamin’ny famonoana ireo sinoa mianadahy, tompon’ny trano fisakafoana tetsy 67 Ha Atsimo, ny roa lahy mpiasa tao ihany. Voasambotra ary efa miatrika fanadihadiana izy ireo. Resaka lonilony nisy teo amin’izy ireo sy ny mpampiasa ny anton’ny vono olona.

Voasambotry ny polisim-pirenena ny sabotsy lasa teo ny roa lahy, ahina ho tompon’antoka tamin’ny famonoana ireo sinoa mianadahy, tompon’ny trano fisakafoana etsy 67 Ha Atsi­mo, ny 15 septambra 2025. Samy mpiasa tao amin’io trano fisakafoana io avokoa izy roa lahy ireto, raha ny tatitra voaray. Taorian’ny fikarohana lalina nataon’ny polisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy (Brigade Criminel­le). Voasambotra teny Ivato, ny sabotsy maraina, ny iray, raha toa ka tratra tany Am­banivohitr’i Manakara, ny harivan’io ihany ny iray hafa efa nitsoaka.

Lonilony niharo hala-bola
Niaiky ny heloka nataony izy roa lahy rehefa nohadihadin’ny polisy. Nisy lonilony efa ela teo amin’izy roa lahy ireto sy ireo sinoa mpampiasa ka antony nahatonga ny famonoana sy fandatsahana aina. Tsy vitan’ny namono fa mbola nangalatra vola rehetra tao an-tsena ihany koa izy ireo. Nandritra ny fisamborana azy ireo, nahitana ampaham-bola nangalarina tao an-tsena teny amin’ireto olon-dratsy ireto. Efa miatrika fanadihadiana eny anivon’ny sampana ady heloka bevava, Anosy, izy roa lahy.
Tsiahivina fa hita faty tao an-tranony, sady trano fisakafoana Venus etsy 67 Ha Atsimo, ny sinoa mpianadahy (63 sy 65 taona), ny 15 septambra lasa teo. Nanomboka tsy hita ny alakamisy 11 septambra lasa teo izy ireo. Miezaka hatrany ny mpitandro filaminana mampandry fahalemana eto amin’ny Nosy. Voa­kasik’izany fiarovana izany avokoa na teratany Malagasy na vahiny.

Mino

Partager sur: