Zava-doza! May vokatry ny fandoran-dreniny azy ny filahiana sy ny faritry ny kibon’ny zanany tao Andakana Mahitsy, afakomaly. Nolazaina ho nangalatra io zaza io.
May nodoran’ny reniny ny filahian-janany tao Andakana, Mahitsy, afakomaly. Nolazain’ny reniny ho nangalatra vola ity zanany lahy ity. Mitentina 200 000 Ar ny vola voalaza ho nangalarin’ ilay zaza. Tsy nilefitra, araka izany, ny reniny fa nanampatra ny fahatezerany tamin’ny alalan’ny fampijaliana. Nodorany tamin’ny hazo ilay zanany ary nobatainy niditra ny trano. Nodorany tamin’ny vainafo ny faritry ny filahian-janany. Tsy vitan’izay, nofatorany tamin’ny tady ny tanana sy tongony. Nihiakiaka mafy ilay zaza saingy nitazana ny ankamaroan’ireo manodidina, araka ny nambaran’ny loharanom-baovao. Niongotra ny ampahan’ny hoditra tamin’ny faritry ny maha lehilahin’io ankizy may io.
Voarakitra horonantsary
Nanatri-maso ny zava-nisy, tsy nahatsindry fo ny tsara sitrapo iray ka niditra an-tsehatra nanatsahatra ny fampijaliana nataon’ilay renim-pianakaviana tamin’ilay ankizy lasibatra. Nalain’ilay nanatri-maso horonantsary rahateo ny tranga. Tsy afa-nanda ny fampijaliana nataony intsony ilay ramatoa. Na izany aza, nitarainy ho narary vokatry ny fampijaliana sy fandorana azy ilay ankizy. Vola 4 000 Ar teo ambony latabatra no voalaza ho nalain’ity farany nataony sakafo, tamin’ny zoma lasa teo. Araka ny angom-baovao, ny sampandraharaha eo anivon’ny polisim-pirenena misahana ny fiarovana ny zaza no mandray an-tanana ny raharaha. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana. Efa tanana atao andrimaso eny anivon’ny polisy miaro ny zaza (DPMPM) etsy Tsaralalàna moa ilay reny nanao herisetra. Hiakatra fampanoavana anio ny raharaha, raha ny tatitra voaray. Marihina, voararan’ny lalàna ny herisetra atao amin’ ny zaza ary mety hahazoana sazy henjana izany.
Tsiferana R.




