SOMBIM-BAOVAO

Dingana manaraka ho an’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM) ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, sokajy olon-telo miaraka vehivavy. Fihaonana hotanterahina any Douaisis, France, ny 9 ka hatramin’ny 12 oktobra ho avy izao. Efa any an-toerana ny ekipam-pirenena mala­gasy manoman-tena ho amin’izany.

Hankafy lalao baolina kitra mahafinaritra indray ny mpanaraka ity taranja ity. Hifanandrina ny sabotsy ho avy izao, ao amin’ny Kianjan’ny Riyadh Air Metropolitano, Madrid, ny Atletico Madrid sy ny Real Madrid. Tsiahivina, fifanandrinan’ireo samy madrilienina izy io, ary efa maro ireo mpankafy miandry izany.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny Kianja basikety vaovao eo Passe de fil, Mahajanga. Tetikasan’ny Federa­sio­nina malagasin’ny basikety izy ity ary tonga tany an-toerana ny filohan’ny FMBB, Ramaroson Jean Michel. Tsy i Mahajanga ihany fa hisitraka izao tetikasa izao avokoa ny ligim-paritra rehetra.

Hotanterahina any amin’ny faritra ny andiany faha-8 amin’ny fifaninanana “Alley Hoop”, taranja basikety 3×3, araka ny nambaran’ny Filoha tale jeneralin’ny RDJ , Rasolojaona Tahiana. Tsy mbola misy ny daty raikitra fa tsy ho ela izany, araka ny fanazavany, nandritra ny “Alley Hoop Qu’est”, ny faran’ny herinandro teo.

Partager sur: