Miditra amin’ny andro fahadimy, anio, mialoha ny hidirana amin’ny dingana farany, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy 1ère division, lahy sy vavy. Tanterahina eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano sy eny amin’ny ANS Ampefiloha izany. Tsy mbola lefy laza hatreto ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie nationale de volley-ball) izay mandravarava tokoa, na ny sokajy lehilahy na ny sokajy vehivavy. Tsy mbola resy mihitsy izy ireo, nanomboka tany amin’ny andro voalohany hatramin’ izao hidirana amin’ny andro fahadimy izao. Teo amin’izay vokatra izay, anisan’ny nomen’ny GNVB 2 lesona ny ekipan’ny ASI 2, teo amin’ny sokajy lehilahy, izay azo lazaina ho ekipa goavana. Nolavoiny tamin’ny seta 3 no
ho 0 (25-16 /25-15/25-19) ity farany. Torak’izany ihany koa ny ekipan’ny MVBC, resin’ny GNVB 1 tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-14/25-18/25-23), nandritra ny andro fahatelo. Nandresy ny ekipan’ny CVBF tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-17/25-21/25-21) ihany koa ny Pole izay ekipa avy amin’ny Zandarimariam-pirenena ihany. Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa, lalao nahazoan’ny GNVB fandresena nandritra ny andro fahatelo, ny fifanandrinan’izy ireo tamin’ny ekipan’ny Bi’As. Na niezaka nanohitra aza ity ekipa ity, tsy afa-bela nanoloana ny GNVB. Resy tamin’ny seta 3 no ho 1 (25-15/25-14/21-25/25-16) ny Bi’As.
Raha ny fandaharam-potoana, hotanterahina rahampitso ny lalao ampahefa-dalana, ny zoma 26 septambra kosa ny manasa-dalana ary ny sabotsy izao, eny amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny lalao famaranana.
Mi.Raz




