Ankadifotsy : Efitra roa niaraka tamin’ny entana kilan’ny afo

Trano iray misy rihana no nirehitra tetsy Ankadifotsy Befelatanana akaikin’ny “Gas­com”, omaly atoandro tamin’ny 12 ora latsaka dimy. May kilan’ny afo tanteraka, tamin’ izany, ny efitrano roa tany amin’ny rihana voalohany. Le­von’ny afo tao ihany koa ireo entana rehetra. Niainga tao amin’ny efitra iray tao amin’ny rihana ambony ny afo, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny manodidina sy ny mponina teny an-toerana. Tsy mbola fantatra mazava ny tena antony nahatonga ny firehetana satria tsy nisy olona tao an-trano tamin’ny fotoana nitrangan’ny firehetana.
Tonga teny an-toerana nifehy ny afo ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina. Voafehy tanteraka ny afo tamin’ny 12 ora sy sasany atoandro. Tonga teny ihany koa ny avy amin’ny polisim-pirenena avy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo (CSP3), nijery ny zava-misy sy niantoka ny filaminana teny an-toerana. Marihina fa tsy nisy ny olona naratra sy namoy ny ainy tamin’ity tranga ity. Ankoatra izay, trano hazo iray ihany koa nirehitra teny Ankatso, omaly. Nifarimbona namono izany ny mponina sy ireo mpanao taxi-moto teny an-toerana. Tsy fantatra ihany koa ny antony nahatonga ny firehetana.

Mino

Partager sur: