FIDINANA AN-DALAMBE : “Tsy ara-dalàna”, hoy ny Emmo/Nat

Nilaza ny tomponandraikitry ny EmmoNat fa tsy ara-dalàna ny hetsi-bahoaka hotanterahina anio. Manamafy ny fidinana an-dalambe kosa ny mpitarika. Mila fitoniana!

Nanao fanambarana te­tsy Anosy ny avy amin’ ny EMMONAT, izay ahitana ny zandarimariam-pirenena, ny polisim-pirenena ary ny Tafika Malagasy, omaly. Manoloana ireo fihantsiana samihafa sy fikasanana hanao fanakorontanana ho an’ny anio. “Tsy nahazo alalana avy amin’ny manampahefana ny hetsika famoriana olona kasaina hatao anio”, hoy ny lehiben’ny Emmonat, ny jeneraly Rakotomalala Andriatahiana Jean Herbert, nandritra ny tafa nataon’izy ireo. Fandikan-dalàna ny fanatanterahana izany ary manohintohina ny filaminam-bahoaka sy ny fahafahan’ny tsirairay mivezivezy ihany koa. “Miteraka ho ambana mitarika ho herisetra satria manohintohina ny filaminam-bahoaka sy ny fahafahan’ny tsirairay mi­vezivezy”, hoy izy.

Miantso ny olom-pirenena ho tony
Mametraka hatrany ny filaminana sy ny fahafahan’ny tsirairay miatrika am-pitoniana ny fiainana andavanandro ho tombontsoa ambonin’ny firenena sy ho an’ny besinimaro izy ireo.
Mitsinjo hatrany ny tombontsoa iombonana ny mpitandro filaminana ka miaro ny ain’ny olona sy ny fananany, ireo fotodrafitrasa ary ireo andrimpanjakana. Manentana ny olom-pirenena ho tony sy tsy ho voataona amin’ny herisetra amin’ny endriny samihafa izy ireo. “Handray fepetra hentitra ho fisorohana sy ho famaizana amin’ireo izay minia manao fandikan-dalàna ihany koa izy ireo ho an’ny anio”, hoy izy nanamafy.

Mino

Partager sur: