Notanana vonjimaika am-ponja, omaly, ireo telo lahy nahatrarana taolam-paty tao Maroventy, fokontany Tanamandroso, kaominina Moramanga. Naharay angom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo ny mpitandro filaminana fa misy olona ahina ho mitazona taolam-paty ao amin’io fokontany voalaza io. Nidina ifotony ny mpitandro filaminana ny alatsinainy 22 septambra tamin’ny 4 ora tolakandro. Nosavaina ny tranon’ireo voatondro. Nahitana taolan-dava miisa 232 tao amin’ilay trano. Nosamborina avy hatrany ireo olona voarohirohy ho tompon’atoka amin’ny fihazonana ireo taolam-paty ireo. Milanja 52 kg ireo taolana ireo ary nokasain’ireo olon-dratsy hamidy, araka ny loharanom-baovao. Tsy fantatra mazava ny antony hampiasana ireo taolana ireo. Nohazonina natao fanadihadiana eny anivon’ny kaomisaria ireo telo lahy ka hatolotra ny fampanoavana aorian’izay.
Tsiferana R.




