Nitsoaka alika masiaka : Tapaka ny tongotr’ilay ankizy lasibatra

Ankizilahy sahabo ho 15 taona tapa-tongotra havanana rehefa nenjehin’ny alika, tao amin’ny fokontany Ambohide­hilahy, kaominina Ambohi­man­gakely, omaly maraina. “Nandalo toy ny rehetra io ankizilahy io”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao. Nentin’ny tahotra, nandositra ilay ankizy rehefa nahita alika. Nanenjika avy hatrany rahateo io biby io. “Nihanika toerana somary avo ilay ankizy kinanjo nianjera tampoka”, hoy ny fanazan’ny nanatri-maso. Tapaka tanteraka teo amin’ny foto-kitrony ny tongotr’ilay zaza. Nandray an-tanana nitondra azy teny anivon’ny HJRA ny tompon’ilay alika. “Alika gasy tsotra io nanenjika ilay zaza io saingy izy masiaka”, hoy ny tsara sitrapo nanampy tamin’ny fitondrana ny lasibatra teny anivon’ny mpitsabo. Marihina, ilaina fahamailoana ny fiompiana biby taizaina ao an-tokantrano toy ny alika. Mila arahi-maso akaiky rahateo ny fahasalaman’ireny karazam-biby ireny, hisorohana ny haromotana.

Tsiferana R.

Partager sur: