Fidinana an-dalambe : Niafara tamin’ny fisamborana, fandrobana sy fandorana

Maro ny mpanao fihetsiketsehana “Leo delestazy”, omaly. Nirefodrefotra ny grenady mandatsa-dranomaso sy ny tifitra. Nifarana tamin’ny fandrobana sy fandorana tanàna ny hetsika. Mihatra ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina.

Nahitana fidinana andalam-be avokoa ny toerana rehetra manerana an’Antananarivo, omaly ma­raina hatramin’ny hariva. Nikasa hiditra an’Ambohija­tovo ireo mpitolona fa nosakanan’ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny roa tonta. Nitohy tamin’ny fitifirana baomba mandatsa-dranomaso, fitoraham-bato ary niafara tamin’ny fandrobana sy fandorana tranona mpanao politika sy orinasa isan-karazany izany.
Anisan’ny niharan’ny fandrobana sy fandorana, omaly, ny tranon’ny loholona eto Madagasikara, Rakotondra­zafy Lalatiana, sy ny an-dRaholdina Naivo, solombavambahoaka an’i Madagasi­kara voafidy teny amin’ny Boriborintany fahadimy. Ani­san’ny potika tamin’izany, ny trano, ny entana tao anatiny ary ny fiara sy ny moto.

28 ireo naratra

Efa niatrana teny amin’ny zaridaina an’Ambohijatovo ny mpitandro filaminana omaly, tamin’ny 6 ora maraina. Na­nomboka nihetsika sy nitondra sorabavety ireo mpitolona tamin’ny 11 ora atoandro. Hita teny amin’ny sorabaventy nentin’izy ireo ny hoe: “Leo delestazy”. Nanomboka nanapoaka lakrimozenina, voalohany, ireo zandary, Ny 11 ora sy fahefany atoandro. Vokany, maherin’ny 28 ireo olona na­ratra nandritra ny hetsika, raha ny tatitra navoakan’ny Croix Rouge Malagasy (CRM), omaly. Nahitana mpitandro filaminana telo tamin’izany, izay naratra vokatry ny tora-bato nataon’ny mpitolona. Miisa efatra teo ireo mpanao fihetsiketsehana voasambotra. Nanomboka tamin’ny dimy ora sy fahefany hariva ny fandrobana trano sy magazay maro, teto an-drenivohitra.
Marihina fa nahitana fihetsiketsehena sy fandrobana tahaka izao koa ny faritra hafa, toa an’Antsirabe, Diego, Mahajanga, ho an’ny omaly. Mety mbola hitohy anio ny hetsika fitakiana jiro sy rano hataon’izy ireo, raha ny re­saka sy feo mandeha.

Voasambotra

Anisan’ny voasambotra nandritra ny hetsika nataon’ ireo Génération Z omaly, ilay tompondaka maneran-tany amin’ny fanabokonana hozatra sady kalaza anatin’ny tambajotran-tserasera Facebook, Fitiavana Mickael, io omaly io. Niaraka tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana io lehilahy io ka notanan’ny zandary. An­koatra azy, olon-tsotra iray nitondra moto kodiarana efatra koa, nosamborin’ny mpitandro filaminana teo Anala­kely rehefa nikasa hamaky ny sakana nataon’ny zandary. Marihina, nanomboka tamin’ ny 10 ora maraina, nitangorona teny amin’ny faritra manodidina an’Ambohijatovo. Ni­vondrona tsikelikely teny Ana­lakely, Ampandrana, Ankadi­vato sy Ambondrona ireo mpitokona. Nifampitaona niainga avy any Ankatso, Tsiadana sy Ambanidia koa ireo mponina sasany ka nilanja sorabaventy teo Antsahabe. Samy nanao fihetsiketsehana naneho ny tsy fahafaliany noho ny fahatapahan-drano sy jiro lavareny ny mponina avy amin’ny kaominina sasany manodidina ny Renivohitra. Voakasik’izany ny mponina eny Itaosy, Ampi­tatafika, Vontovorona sy Analamahitsy.

Fitia Randria /Mino/ Tsiferana R

Partager sur: