Fitsaboana amin’ny alalan’ny zavamaniry ny raokandro. Nampiasain’ny Ntaolo ho fanafody nanasitranana ireo aretina maro samihafa teo anivon’ny fiarahamonina ny singa azo avy aminy. Amin’ny ankapobeny, talenta ny fahaizana mitsabo amin’ny alalany.
Ampiasain’ny mpitsabo nentim-paharazana avokoa ny raviny, ny fakany, ny tahony ary ny vovony. Tsy norantovina fa talenta ny fahaizana mampiasa sy mitsabo amin’ny alalan’ny raokandro. Samy manana ny raokandro ampiasaina kosa isaky ny toerana tsirairay. Ho an’ny faritra Atsinanana, nampiasa ireo ravinkazo mando na lena. Ho an’ny faritra Avaratra, nampiasa ireo zavamaniry mifanaraka amin’ny toe-tany. Nampiasa ny tsilo sy ny zavamaniry antitra kosa ny faritra Atsimo. Tsy nisy porofo siantifika ny fampiasana ny raokandro malagasy fa azo tamin’ny lovantsofina sy fizarana traikefa teo amin’ny Ntaolo ka mbola hita amin’izao fotoana izao. Voamarina tamin’ny alalan’ny fahasitranana azon’ny olona izany. Nanandratra avo ny fitsaboana tamin’ny alalan’ny fampiasana ireo zavamaniry ireo ny profesora Ratsimamanga Albert Rakoto. Nampiavaka azy ny raokandro malagasy, nahafahan’ny Malagasy nitsabo karazan’aretina isan-karazany. Amin’ny ankapobeny, ireo mponina avy any ambanivohitra no tena voataiza amin’ny fampiasana azy ireny. Tsy manatona dokotera raha tsy efa tena aretina goavana.
Manasitrana
aretina maro
Betsaka ireo aretina sitran’ny raokandro malagasy, toy ny diabeta, ny homamiadana, vato any anaty taova, sinusite, mitady zaza… Ankoatra izay, ataon’ny olona fanafody mosavy sy ody lolo ihany koa ny raokandro. Ny zavamaniry toy ny fanazava, aferontany, ataon’ny olona ody kohoka. Arotsaka anaty rano mangotraka, sotroina maraina sy atoandro ary hariva. Eo koa ny zavamaniry antsoina hoe tsipipihina, izay atao fanafodin’ireo olona tsy mipipy sy folaka. Alaina ny tsorany telo dia ampangotrahina amin’ny rano 1 l. Tsy atao very sasaka satria mety hanimba ny voa na ny aty na tsinay raha toa ka mahery loatra ny ranony. Atao rano fisotro avy eo. Eo koa ny ravina mazambody, anamamidia, izay mahasitrana fery. Kininimpotsy, ody tazo. Tenehina avokoa ny anakamaroan’izy ireo. Fanazava, romba, kininim-potsy, natao ody kohaka sy sery. Misy ireo ravinkazo totoina ary ahosotra amin’ny karazana fery. Misy ihany koa ny tenehina ary misy ireo ravina tsakoina.
Marihina fa tsy misaraka amin’ny finoana ny fakana sy fampiasana ny raokandro. Mivavaka amin’ny Nahary ireo olona maka sy mampiasa ny zavamaniry mba hitondra soa sy fahasalamana ho an’ny olona tsaboina.
Be mpanjifa
Misy ireo olona mihevitra fa fanafody gasy na fanompoan-tsampy ny roakandro malagasy, satria, mifanipaka amin’ny finoana na fomba maoderina, raha ny fanadihadiana natao. Niha nitombo anefa ny mpanjifa azy io, indrindra tamin’ny fotoanan’ny valanaretina Coronavirus teto amin’ny firenena. Nampiasain’ ny olona, tamin’izany, ny romba, mandrava sarotra, kininim-potsy… Notenehina ary nampiasaina natao evoka mba hamongorana ny otrikaretina, raha ny fanadihadiana natao. Manjifa ny raokandro avokoa ireo sokajin’olona rehetra, amin’ny ankapobeny. “Tena mahomby ny fitsaboana amin’ ny raokandro malagasy satria mbola natoraly tanteraka izy ka antony mandrisika azy ireo hividy sy hampiasa izany’’, hoy ny mpanjifa. “Ny fanafody vazaha mihinana vavony, fa ny raokandro malagasy mahasitrana tanteraka ary tsy misy fiantraikany amin’ny fahasalamana raha mahay mampiasa azy”, hoy ny hafa. “Ny fiovaovan’ny toetr’andro no maha maro ireo karazana aretina misy amin’izao fotoana izao”, hoy ny mpivarotra raokandro etsy amin’ny petite vitesse, Rasoanirina Ranjamanana. Maro ny aretina sitran’ny raokandro, eny fa na dia ireo aretina heverina ho tsy sitran’ny dokotera aza.

Masina ny zavamaniry
Masina ny zavamaniry iray rehefa alaina amin’ny fotoana tokony hakana azy sy manaraka ny fombafomba, raha ny fanadihadiana natao. Zavamaniry noraofina tamin’ny tanana, izay mifanaraka amin’ny toetr’andro, ny famaritana ny raokandro ara-piforonan-teny, raha ny fanazavana voaray hatrany. Misy ireo alaina vaky masoandro, maty masoandro, mitataovovonana… “Miovaova arakaraka ny toe-tany sy toetr’andro ny herin’ny raokandro iray. Ilaina olona manana talenta izany rehetra izany mba tsy hanimba ny hasiny”, hoy ny filohan’ny Fikambanam-pirenena mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara (ANTM), Andriandrainarivo Josephin Rasamivelona.
Efa misy mpitsabo nentim-paharazana 3 hatramin’ny 5 isam-pokontany manerana an’i Madagasikara, raha ny fitsirihana nataon’ny OMS, tamin’ny taona 1996. Mahatratra 13 000 ireo karazan-javamaniry ary hita eto Madagasikara ny 80% amin’izy ireo. Voaisa ho fanafody ny 40% amin’izany. Tafiditra anatin’ny sehatry ny tontolo iainana, ara-pahasalamana, kolontsaina ary eo amin’ ny soatoavina maha Malagasy ny asan’ny mpitsabo nentim-paharazana. “Anisan’ny fitaovana entin’izy ireo hitsaboana sy hikolokoloana ny fiainan’ny olona izany”, hoy ny filohan’ny ANTM. Tsy mifanipaka ny fitsaboana maoderina sy ny nentim-paharazana fa samy manana ny tandrify azy ary mifanampy ihany koa.
Nanatontosa : Mino




