Fanafihana : Dahalo telo maty voatifitra

Telo lahy anatin’ny fikamban-jiolahy nikasa hangalatra omby lavon’ny mpitandro filaminana tao Fanjakaman­droso, kaominina Ankadinon­dry, ny 25 septambra lasa teo. Naharay antso tamin’ny olon-tsotra ny kaomandin’ny tobim-paritra Mahasolo, tamin’ny 2 ora tolakandro, fa misy andian-jiolahy mitady hangalatr’omby. Nidina ifotony hijery ireo andian’olona nikomy haka ny fananan’ny hafa ireo ny zandary. Nihazo ny tapany Avaratra Ankadinondry ireo mpanao ratsy. Nifanehatra tamin’ireo dahalo teo amin’ny lalana miakatra ny fokontany Fanjakamandroso ny zandary, tamin’ny 12 ora alina. Ni­tsoaka nandositra avy hatrany anefa ireo olon-dratsy ireo vantany nahatazana ny mpitandro filaminana. Namaly tifitra ny dahalo nandritra ny fampijanonana azy. Vokany, lavo ny telo tamin’ireto farany. Nanao tongotra an-katoka ka tafaporitsaka tao anaty haizina ireo namany. Dahalo nokarohina hatry ny ela ny iray tamin’ireo voatifitra. Tom­pon’antoka tamin’ny halatra moto ny alin’ny 13 septamba 2024 izy. Tsy fantatr’ireo mponina mipetraka eny amin’ny manodidina ny mombamomba ireo roa lahy hafa. Manamafy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ao an-toerana ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R.

Partager sur: