Fitokonan’ny Gen Z : Navotsotra ireo fito voasambotra

Nirefotra indray ny lakrimozenina teny Tsiadana Ampasanimalo, ny sabotsy 27 septambra lasa teo. Niparitaka ireo Gen Z rehefa tsy naharesy tosika ny mpitandro filaminana.

Taorian’ny fikasan’ireo mpitokona mikambana anatin’ny Génération Z na « Gen Z » hihazo ny Kian­jan’Ambohijatovo, niatrana teny an-toerana avokoa ny mpitandro filaminana, nahitana ny Tafika, zandary ary polisy. Voarara tsy azon’ny olon-tsotra sy ny fiara ivezivezena ny manoloana ny Kianjan’ny 13 mey sy teny Ambohijatovo. Na izany aza, nanaraka ny lamina efa napetrak’izy samy mpikambana ireo Gen Z. Niainga teny amin’ny faritra tsy lavitra ny Anjerimanontolo teny Ankatso ny ankamaroan’izy ireo ary nisy ireo namonjy teny an-dalana toy ny teo Tsiadana. Nanao sakana tamin’ireo toerana ahina hivondronan’ny mpanao fitokonana ny mpitandro filaminana. Nikasa hihazo an’Ambo­hijatovo, araka izany, ireo mpanao fihetsiketsehana ta­min’ny 12 ora atoandro. Tsy niandry ela, nandahatra ny fiara tsy mataho-dalana ny mpitandro filaminana ka nanaparitaka tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso. Nifanenjana ny tady taorian’io ka nametraka sakana teny amin’ny arabe sady nandoro kodiarana ny Gen Z. Niezaka nanaparitaka azy ireo hatrany ny mpitandro filaminana. “Mila misakafo ara-dalàna intelo isan’andro izahay, manana jiro sy rano tsy tapatapaka, mila mianatra am-pilaminana satria maniry ny ho tafita ary indrindra mitolona izahay mba hananan’ny taranakay fiainana milamina”, hoy i Mikolo, anisan’ireo Gen Z nitokona.
Nahazo fahafahana
Nivoaka omaly avokoa ireo tanora miisa fito anisan’ny notazomin’ny mpitandro filaminana nandritra ny fihetsiketsehan’ny Gen Z, io sabotsy 27 septambra io. Nanao antso avo amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera rahateo ireo naman’ny mpianatra voasambotra nandritra io hetsika io. Nisy ny mpisolovava nanolo-tena hanampy amin’ny famotsorana ireo voasambotra ireo. Marihina, nisy ireo naratra nandritra ny fipoahan’ny lakrimozenina ny sabotsy lasa teo. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Mitohy anio alatsinainy ny fitokonana ataon’ireo Gen Z, araka ny loharanom-baovao.

Tsiferana R.

Partager sur: