Tsy manan-kialofana : Rangahy hita faty teo amoron-dalana

Raim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona hita faty tany Mahabibo Mahajanga, omaly maraina tamin’ny 5ora. Vatana mangatsiaka efa tsy misy aina intsony no hitan’ny olona sy ny mpandalo teo amoron-dalana. Nampandre ny tomponandraikitra avy hatrany izy ireo taorian’ny tranga. Tonga teny an-toerana nizaha ny razana ny mpitsabo avy amin’ny BMH. Tsy nahitana ratra ny vatany. Heverina fa fahafatesana tsotra ny nahafaty io olona io, raha ny fizahana nataon’izy ireo. Tombanana efa tamin’ny 12 ora sy sasany alina no nahafatesan’io olona io, raha ny tatitra hatrany. Tonga teny an-toerana sy nanatitra ny razana tany amin’ny tranom-paty any Androva ny ekipan’ny TVHFB tao Mahajanga. Raha ny fantatra sy fanazavana voaray, olona mpatory an-dalana sy tsy manan-kialofana io lehilahy hita faty io. Antony iray mahafaty ireny olona ireny ny aretina na ny hanohanana ary ny hatsiaka.

Mino

Partager sur: