Hanomboka anio, ao Vakinankaratra, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja karate, ho an’olon-tokana, eo amin’ny sokajy Cadet, Junior ary Senior, Kata sy Kumite. Mpikatroka 450, avy amin’ny ligy 20, no hifaninana mandritra ny 3 andro, ao amin’ny Kianja mitafo Vatofotsy, Antsirabe. Nambaran’ny filohan’ny Federasionina ny Karate-do malagasy, Ratefinanahary, sy ny […]
Mois : octobre 2025
SOMBIM-BAOVAO
Araka ny fikarohana natao omaly, fantatra izao fa hifanandrina amin’i Kenya, ny Barean’i Madagasikara, mandritra ny lalao ara-pirahalahiana hatao ny volana novambra ho avy izao. Tsy mbola namoaka izany fanambarana ofisialy izany ny Federasionina kenianina na ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Mangataka fanohanana avy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny […]
Handball – “Mada senior 2025” : Nisongadina ny ekipan’Atsinanana
Nanomboka omaly, tao amin’ny Kianja mitafo Arena Sport Toamasina, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball. Fifaninanana natokana ho an’ny sokajy Senior, lahy sy vavy. Nisongadina avy hatrany ny ekipan’Atsinanana, satria nivoaka ho mpandrey avokoa ireo ekipa lahy misolo tena azy ireo. Anisan’izany ny HTHB, nanilika […]
Fitantanana baolina kitra : Manentana ny mpomba azy hidina an-dalambe ny mpilalao zokiny
“ Mitohy ny tolona”, hoy ireo mpilalao efatra mirahalahy an’ny Barea zokiny: i Abel Anicet, Bolida, Faneva Ima ary i Voavy Paulin, afakomaly, tao amin’ny tambajotran-tserasera. “Mitohy ny ady!”. Hanentana ny olona hidina an-dalambe ireo mpilalao Barea fahiny: i Faneva Ima, Bolida, Anicet Abel, Voavy Paulin, rahampitso, eny Mahamasina. Antony […]
Tana Water Front: Hiverina hisokatra ny Cinépax
Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy ny sarimihetsika anaty efitrano! Niarina tamin’ny fahavoazany ny Cinépax Madagascar etsy amin’ny Tana Water Front Ambodivona. Hiverina handefa sarimihetsika, manomboka anio. Tsy mbola toa ny teo aloha, saingy efa vaovao mahafaly ny fisokafan’ireo efitrano fijerena sarimihetsika roa, izay efa nandramana ny alarobia lasa teo. […]




