Nahitana firehetana tao amin’ny faritry ny zaridaina an’Ambohijatovo, taorian’ny sakoroka niseho teny an-toerana, omaly hariva. Tsy nisy nahatsikaritra ny fiandohan’ny afo ireo manodidina, hatramin’ny mpanao gazety nanara-maso ny zava-nisy teny an-toerana. Ahina ho vokatry ny fidiran’ireo mpanao fihetsiketsehana tao anatin’ny faritry ny zaridaina ny firehetana. Nanao mora rahateo ny fihanaky ny afo noho ny fisian’ireo ravin-kazo efa maina anatin’io toerana natokana ho an’ny mpitsangantsangana sy natao ialana voly io. Nirefodrefotra nandritra ny ora iray mahery rahateo ny lakrimozenina ka maro ireo olona nisitrika tao anatin’io faritra voatokana io. Tsy fantatra intsony koa raha toa ka nisy nanararaotra nanimba io fananana iombonana io. Na izany aza, nidina an-tsehatra nanao ny asany teny an-toerana ny sampana mpamonjy voina. Nandray andraikitra nanoloana ny fisian’ireo naratra izy ireo sady nifehy ny firehetana. Marihina, anisan’ny nanokanan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra tetibola manokana ny fanatsarana ny toerana, tamin’ny taona 2023.
Tsiferana R.




