Fidinana an-dalambe: Samy hihetsika ny Gen Z sy ny mpanohana fitondrana

Mitohy ny fidinana an-dalambe ataon’ny tanora. Nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso, omaly. Milaza ny hihetsika koa manomboka izao ny mpanohana ny fitondrana.

Niafara tamin’ny fipoa­han’ny lakrimozenina hatrany ny hetsika fitakiana nataon’ireo mpitolona eo anivon’ny Gen Z sy ireo mpiasam-panjakana, omaly. Maherin’ny 8 ireo naratra ka ankizy roa voa mafy. Renim-pianakaviana iray koa naratra teo amin’ny tongony ka voa­tery nentina namonjy toeram-pitsaboana. Tsy tafiditra ny Kianjan’Ambohijatovo izy ireo fa voasakan’ny mpitandro filaminana. Niatrana an-kianja sy teny amin’ireo toerana ahina hivorian’ny mpitokona ny mpitandro filaminana. Niambina ny Kianjan’ny 13 mey sy Kian­jan’ny demokrasia izay navadika ho zaridaina Am­bohi­jatovo, izy ireo. Nizara­zara toy ny mahazatra ny fi­diran’ny mpitolona. Tanjona ny haha­fahana miditra an’Am­bohi­jatovo. Nisy ny fidirana avy any Antanimbarinan­driana, Anosy, Besarety, An­dravoa­hangy Ambony. Nifa­nao fotoana teo Antanim­barinandriana ireo mpiasam-panjakana isan-tsokajiny, omaly. Nitandahatra niaraka tamin’ireo mpanao fitakiana koa, ny Randrana sendikaly sy ireo mpitsabo mpanampy sy ny maro hafa nanomboka tamin’ny 10 ora maraina. Nikasa hiditra an’ Ambohi­jatovo izy ireo, tamin’ ny 11 ora mahery, fa napari­taky ny mpitandro filaminana tamin’ny fandatsahana entona mandatsa-dranomaso. Hita teny an-toerana ihany koa i Rolland Ratsiraka niaraka tamin’ireo mpitolona saingy fotoana vitsy monja.

Nihamafy ny fifanjevoana

Nihamafy ny fifanenjehana sy fifanjevoana teo amin’ny roa tonta. Nidina ifotony ni­tifitra sy nanaparitaka ireo mpitolona tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso hatrany ireo mpitandro filaminana. Noravaina sy naparitaka avokoa ireo nivorivory teny amin’ny lalana rehetra. Nanomboka tsy nahazo nandehanan’ny fiara sy ny mpandeha an-tongotra ny lalana hihazo an’Ambohijatovo, ta­min’ny 11 ora sy sasany ato­andro. Hentitra ireo Tafika sy zandary nanao ny sakan-dalana, manoloana izany. Etsy ankilany, nisy fihetsi­ketse­hana sy nahitana tanora nivorivory ihany koa teny Anosy, manoloana ny hopitaly Be­felatanana. Nifanjinja sy nifanenjika hatrany an-tokontanin’ny hopitaly izy ireo sy ny mpitandro filaminana.

Niditra avy any Behoririka

Nikasa hiditra avy any Behoririka sy Andravoahangy Ambony ary Besarety ireo andian-jatovo. Voasakana sy nohenjehin’ny mpitandro filaminana avokoa izy ireo satria efa niatrana teny amin’ny manodidina ireo polisy sy zandary. Nikasa hiditra hatrany izy ireo saingy norarafan’ny mpitandro filaminana entona mandatsan-dranomaso ha­trany. Manoloana izany, tsy niala fa nanao sakana tamin’ ny alalan’ny fandoroana ko­diarana sy hazo teny afovoan’ny arabe ireo andian-jatovo ireo.
Marihina fa hiditra an-tsehatra ihany koa manomboka izao ny mpanohana ny fitondrana. Mitsipaka ny fanonganam-panjakana.

Mino / Tsiferana R

Partager sur: