Toamasina : Nirongatra ny lozam-pifamovoizana

Hatramin’ny zoma 26 sep­tambra lasa teo, nisian’ ny hetsiky ny leo delestazy sy fitakiana rano nataon’ ny mpianatra anivon’ny Oni­versiten’i Toamasina, niron­gatra izaitsizy ny lozam-pifamoivoizana ao Toamasina ary namoizana ain’olona iray izany. Tranga voalohany ny alin’ny  sabotsy, tao Boulevard Ratsimilaho, tokony ho tamin’ ny 8 ora alina, izay efa nihoatra ny ora tsy fahafahana mi­vezivezy amin’ny alina. Tovo­lahy iray voalaza ho efa na­monjy fisotrosotroana teny amoron-dranomasina ka ni­tondra moto  hamonjy fodiana nandeha mafy ary nampiakatra lohana moto ihany koa no nianjera ho azy ary napitiky ny moto nentina. Namoy ny ainy ity farany rehefa tonga tao amin’ny hopitaly. Ity rahateo ny lozam-pifamoivoizana faha­roa namono olona ary mbola tamin’ny faritra efa nahafaty raim-pianakaviana hafa ny fiandohan’ny taona teo. Raha tsiahivina, efa nisy raim-pianakaviana mijanona miresaka amina vehivavy no notrongisina fiara tsy mahataho-dalana teo ka maty tsy tra-drano. Fa­haroa, ny maraina teo, tetsy amin’ny Bazary may Anki­rihiry. Fiara taksiborosy mankany Mananara nitrongy an­drin-jiro, ny alarobia voalohan’ ny volana oktobra teo. Tsy nisy naratra, potika kosa ny fiara ary tapaka ny fananam-bahoaka. Ny mpamily rahateo mbola naharenesana fofon-toaka. Io alarobia io ihany, posy mitondra hazo voasarongotra Bajaj ny lohany ka  nianjera sy naratra ilay mpitondra posy.

Sajo

Partager sur: