Hitohy anio indray ny hetsika fidinana an-dalambe. Asa, inona no hiseho taorian’ny fakana aina, omaly? Raha ny filazan’ny mpikarakara ny hetsika aloha dia hafampana! Avy nanovo hery taorain’ny fitsaharana. Efa milaza fa milamina rahateo ny paikady noho ny fisian’ny kaomity manokana nandray an-tanana izany. Ankoatra ny firaisankina, hiditra amin’ny hetsika matipaika izy ireo.
Mifanindran-dalana amin’izany, efa miomana ny mpitandro filaminana. Miparitaka manerana ny tanàna hatrany izy ireo. Tsy nanao andro iray nakana aina toy ny andaniny. Efa mivonona amin’izay hiseho. Fanamby iray goavana ho azy ireo rahateo ny tsy maintsy hifehezana izay mihoa-pefy. Ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananan’izay tsy mitovy hevitra ka tsy midina an-dalambe.
Mbola mifampitady eny an-kianja avokoa aloha izany ny roa tonta. Hatreto, samy mbola mitana ny toerany sy ny andraikiny ny “mpifanandrina”. Somary mampanahy ny ambana amin’ny korontana sy fifanjevoana. Raha ny fantatra dia hiakatra ambonimbony kokoa ny lanjan’ny hetsiky ny mpanao fihetsiketsehana. “Haka tahaka ny any Maroc hoe!”: angaredona amin’ny mpitandro filaminana.
Ireto farany mazava ho azy, arakakaraka ny baiko ihany. Miankina amin’ny toromariky ny lehibe ny zava-drehetra. Mazava ho azy fa tsy maintsy hanaparitaka, hanakana ny fidirana anatin’ny faritra voarara. Heloka sy fahadisoana goavam-be amin’ny asa rahateo ny fidrikinana sy ny fandavana. Tsy maintsy fa baiko miaramila! Efa nisafidy ny hamoy ny zava-drehetra ankoatra ilay asa rahateo.
Mila samy mahay maka lesona avokoa anefa ny Malagasy tsivakivolo. Sao sanatrian’ny vava, ilay kilalao politika, iarovana olon-tokana no mahazo laka ka ho very an-javona ny ezaka rehetra atao.
r.r




