Malagasy iray tsy mivaky

 

Mahatsiravina ankitsirano ny mijery sy mamaky ireo ranty hataon’olona maro avy any amin’ny faritra sasany mivoy fankahalana foko iray eto amin’ny tanàna. Tsy hay mazava ny tanjon’izy ireny. Ny zavatra hita, tafiditra any anatin’ny ekipa ny mpanakanto malaza sasany. Tsy mandefa fisainana lavitra kanefa dia miorom-ponenana miaraka amin’ny olona ankahalany. Manao fihantsiana ankolaka kanefa tsy mahasahy mifindra monina tanteraka any amin’izay misy azy avy any.
Firenena masina, tsy mendrika ny zarazarao hanjakana i Madagasikara. Manana ny maha izy azy, satria ny ranomasina no valam-parihiny. Efa mitoka-monina amin’ny maha Nosy azy, mbola mitady samy mandeha samy mitady etoana. Ho aiza anefa raha sanatria ka vaky ny ady ? Hilomano hiampita any afrika, amin’ity lakandranon’i Mozambika izay mirefy 400 km. Hilomano amin’ny anarivony kilometatra amin’ny ranomasimbe Indianina, manasaraka amin’ny nosy rahavavy atsy atsinanana ?
Mba nandefa fisainana lalina ve ? Ho aiza ireo vahoaka be an-tapitrisany eto an-dRenivohitra ? Mpilaravinahitra sy mpifindra monina avokoa ny ankamaroany. Mila fandinihana lalina, fa tsy entanentanin’ny fankahalana sy ny fandrisihana mamoa-doza ataon’ny mpanao politika sy vondron’olom-bitsy. Mila miray hina ny vahoaka malagasy 30 tapitrisa. Tsy mila resin’ny fampidiran-kizo izay kinendrin’ny efa voky an-tendankely, mitady ny mbola ampitombo ny kibony sy ny paosiny.
Manoloana ny zava-misy, andrasana ny firaisankina sy ny fifanomezan-tanana. Tsy vitan’ny samy maka ho azy ny raharaham-pirenena. Toraka izany ny fiantrehana ny fanamby ara-tsosialy sy ny ara-bola, atrehin’ny isam-baton’olona sy ny ankohonana tsirairay avy. Tokony hanohitra ny tetika masison’ny mpitondra sasany ny sarababem-bahoaka. Tsy misy resaka fanonganana fa mijoro ho Malagasy iray tsy mivaky.

r.r

Partager sur: